Archives quotidiennes: 20 février 2019

Fampandrosoana ny firenena : iray volana androany no nandraisan’ny Filohampirenena ny asany

0
Iray volana androany ny fianianana nataon'ny filohampirenena Andry Rajoelina teny Mahamasina. Fotoana nandraisany tamin'ny fomba ofisialy ny andraikitra maha filohampirenena azy. Ambetin-teniny tamin'izany ny hoe "asa ary asa avy hatrany". Efa maro ny zavatra vita sy niarahan'ny rehetra nahita nandritra izay fotoana izay.

Ady amin’ny fahaverezan’olona : mila fiaraha-miasa amin’ny tsirairay

0
Faheno matetika eny anivon'ny fiarahamonina sy ny haino aman-jery tato ho ato ny filazana olona very. Io indray araka izany no nanontanian'ny Agence Capsule, izay miara-miasa amin'ny KOLO TV , ny hevitry ny olontsotra miisa 400 izay feno 18 taona mihoatra. Ato anatin'ity fanadihadiana ity no hanarahanao ny hevitr'ireo olontsotra ireo manoloana izany.

Mpanolotsain’ny filohan’ny repoblika teo aloha : miseho ny nafenina rehetra

0
Sazy miatra an-tranomaizina herintaona sy lamandy 5 tapitrisa ariary. Izay ny didim-pitsarana nivoaka androany mikasika ny raharaha Hugues Ratsiferana. Etsy ankilany, mitohy ihany koa ny raharaha Mbola Rajaonah. Raha ny fanadihadiana natao, re fa namerina ny fiaran’ny fiadidian’ny repoblika izay niniany notazomina, ity farany.

Anosibe Andrefana II : trano hazo miisa 18 kilan’ny afo

0
Trano hazo miisa 18 kilan'ny afo teny amin'ny fokontany Anosibe Andrefana II ny maraina teo. Ankizy ampirehatra afo no niadohan'izany raha ny fanazavan'ny mponina.