Archives quotidiennes: 21 février 2019

Kaominina Talata volonondry : nahazo toeram-pivarotana ireo mpivarotra koba

0
Fianakavina maro no mivelona amin'ny fanamboarana sy fivarotana koba eto amin’ny Kaominina Talata volonondry. Ho fanatsarana ny tanana sy ho fitsinjovana ny fahasalan’ny mponina sy ny mpanjifa, nohatsaraina ny fivarotana ary nananganana toeram-pivarotana tsirairay avy ireo mpivarotra.

Fonja eto Madagasikara : tsy ampy ny mpandraharahan’ny fonja

0
Lesoka goavana miteraka ny fahavakisan’ny fonja matetika eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny mpiambina na ny mpandraharahan’ny fonja. Izay raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana androany. Efa tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana anefa ny fanatsarana io sehatra io ary isany ho vaindohandraharaha izany.

Antaninarenina : nolavina ny « demande de suspension à execution de jugement »

0
Nolavina ny "demande de suspension exécution de jugement" momba ny tanim-panjakana eo Antaninarenina. Io no vokatry ny fitsarana androany. Vaovao izay andrasan'ny be sy ny maro amin'ny tany misy ny vakoka ara-tantara sy ara-kolontsaina an' Antaninarenina.

Mpaka an-keriny : miisa 11 ireo voasambotra

0
Olona miisa 11 ao anatin'ny tambazotra mpanao Kidnapping eto amintsika no saron'ny mpitandro filaminana. Niaiky ny heloka vitany ireo taorian'ny fanadihadiana sy ny famotorana natao. Fantatra ihany koa ny toerana fametrahan'izy ireo ireo olona alaina an-keriny sy ny fomba fiasan'ireo jiolahy.