Archives quotidiennes: 27 février 2019

Lalana “Arrêt 30” – Vatobe 67ha : vinavinaina ho vita afaka 40 andro

0
Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 40 andro ny fanamboaran-dalana etsy amin’ny arret 30, mihazo an’i Vatobe 67ha, raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fanamboarana. Ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy no tomponantoka. Orinasa tsy miankina kosa ny misahana ny asa fanamboarana.

Taratasy Antemoro : tsy marina ny filazana fa lasan’ny vahiny ny « Brevet »

0
Miha lany tamingana sy miha lafo ankehitriny ny Hodi-kazo « Havoa » izay isan’ireo akora fototra hanamboarana ny Taratasy Antemoro izay isany vakoka Malagasy. Mbola maro ireo fianakaviana no mivelona amin’ity asa ity ankehitriny.

MAE : mangataka ny hamerenana ireo « Passeport diplomatique »  sy « Passeport de service » tsy ampiasaina intsony

0
Namoaka naoty mampatsiahy ny tokony hamerenan’ireo mpiasam-panjakana efa tsy tokony hampiasa intsony ny « Passeport diplomatique » sy ny « Passeport de service » ao anatin’ny 15 andro ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Malagasy.

Praiminisitra NTSAY Christian : nandray ny iraky ny banky iraisampirenena

0
Ny mariana teo, nandray ny iraky ny banky iraisampirenena teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny goverenemanta. Fihaonana izay niresahan’izy ireo ny fanohizana fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta ho fampandrosoana an’i Madagasikara.