mercredi 24 avril 2024
Accueil 2019 février

Archives mensuelles: février 2019

Code de la communication : ho jerena isaky ny toko sy andininy

0
Hohatsaraina ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera na ny Code de la Communication izay niadian'ny mpanao gazety hatrizay. Homena endrika vaovao ihany koa ORTM na ny haino aman-jerim-panjakana hoy ny Sekretera jeneraly eo anivon'ny ministeran'ny fifandraisana sy ny serasera ary ny kolontsaina androany.

RAZAFIARISON Francis : laharampahamehana ny fanatanterahana ny « PGE »

0
Isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao sy ny niteraka faneoankevitra maro tamin’ny tambazotran-tserasera ny fanendrena an’i RAZAFIARISON Francis na Francis Turbo ho tale jeneraly misahana ny kolontsaina eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontaina. Nisy ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazetin’ny Kolo TV taminy. Ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny no laharam-pahamehana raha ny nambarany.

SEFAFI : «  Miandry ny fanatanterahan’ireo asa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika  »

0
Mampisy fanantenana ny politikam-panjakana ankapobeny. Miandry ny fanatanterahana ny asa ny rehetra. Izay amin’ny ankapobeny ny fanehoankevitry ny avy eo anivon’ny SEFAFI manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao nandritry ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany.

Oniversite an ‘Antananarivo : nanomboka androany ny fampielezan-kevitra

0
Andro voalohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ny filohan’ny oniversitean’Antananarivo. Amin’ny ankapobeny, saika niompana amin’ny fanavaozana ny oniversité , ny famahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka ny votoatin’ny asa kasain’ireo mpifaninana 3 ho tontosaina.

Sambava ady tany : tsy mety mihatra ny didim-pitsarana

0
Misy andian’olona manao fomba fanao sy fivelomana ny mibodo tanin’olona efa « Titré et Borné » any Sambava efa an-taonany maro izao. Miray hina mangataka ny hampiharana ny didim-pitsarana hanehoana ny fisian’ny tany tan-dalàna izy ireo sy ho fampitsaharana izao fomba fakana tany ataon’ireto andian’olona ireto.

La réunion kely : nahazo trano vita amin’ny « conteneur »

0
Fianakaviana miisa 18 no nahazo trano vita amin’ny kotonera eny min’ny La réunion kely. Tetik’asa izay novolavolain’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny primatiora ity fanavaozana ity. Fanadihadiana : Albertin RAMIALIARIVO

Fandriampahalemana : tsy hisy intsony ny goragora amin’ny fampiharana ny lalàna

0
Tsy hisy intsony ny gaboraraka sy ny goragora amin'ny fampiharana ny lalàna hoy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta nandritra ny fidinana ifotony nataony omaly alina. Tsy maintsy haverina ny fanidiana Bar amin'ny fotoana voatondro hialana amin'ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny fanafihana.

Fahasalamana : efa mijoro ny holafitry ny « Psychologue » eto Madagasikara

0
Efa nijoro ary miasa avy hatrany ny holafitry ny Psychologue eto Madagasikara. Ireto farany izay nanamafy fa maro ireo misandoka ho Psychologue ka mety hisy fiatraikany ratsy amin'ireo olona raisina an-tanana.

Kaominina Talata volonondry : nahazo toeram-pivarotana ireo mpivarotra koba

0
Fianakavina maro no mivelona amin'ny fanamboarana sy fivarotana koba eto amin’ny Kaominina Talata volonondry. Ho fanatsarana ny tanana sy ho fitsinjovana ny fahasalan’ny mponina sy ny mpanjifa, nohatsaraina ny fivarotana ary nananganana toeram-pivarotana tsirairay avy ireo mpivarotra.

Fonja eto Madagasikara : tsy ampy ny mpandraharahan’ny fonja

0
Lesoka goavana miteraka ny fahavakisan’ny fonja matetika eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny mpiambina na ny mpandraharahan’ny fonja. Izay raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana androany. Efa tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana anefa ny fanatsarana io sehatra io ary isany ho vaindohandraharaha izany.