Archives quotidiennes: 1 mars 2019

Filankevitry ny minisitra : fepetra maro no noraisina

0
Fepetra maro no noraisin'ny fitondram-panjakana araky ny nivoaka tamin'ny filankevitry ny minisitra omaly. Isan'izany ny lafiny fambolen-kazo. Mikasika ny fanendrena sy fanesorana tomponandraikitra kosa, nofoanana ny didimpanjakana manendry ny filohan'ny filankevimpitantanan'ny orinasa JIRAMA.

“Rocade Est” : andalana ny fanonerana ho an’ireo tany voakasika

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanonerana ho an’ireo tompon’ny tany voakasiky ny fanotofana amin’ny fanamboarana ny ROCADE EST. Antontan-taratasy manodidina ny 81 no efa tonga eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana raha ny fanazavana. Miandry ny famenoana ny antontan-taratasy kosa ny ambiny hoy ny sampandraharana misahana ny fananan-tany.

Zaridainan’Ankorondrano : mbola an’ny fanjakana madio ny « situation juridique »

0
Tsy mbola tapaka ny filazana fahazoan’olontsotra zaridainan’Ankorondrano. Mifanohitra amin’ny lalàna 62-023 momba ny « expropriation pour cause d’utilité publique » ny didim-pitsarana manery ny fanjakana malagasy hamerina ny tany amin’ny tompony hoy ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany.