vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 2 mars 2019

Bongatsara : tsy eken’ny mponina ny famefena ny lalana

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mponina tao amin'ny fokontany Beparaky, kaominina Bongatsara tamin'ity androany ity. Antony, nofefen'olon-tsotra ny lalana hifandraisan'ity fokontany ity amin'ny manodidina. Fefy, izay tsy ara-dalàna hoy ny ben'ny tanànan'i Bongatsara.

Edito du 2 mars 2019

0
Volana vaovao, Fidiran’ny fanjakana amin’ny faharoa-volana niasany. Ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana no hita misongadina. Fandraisana andraikitra izay maneho fahavononana ihany koa amin’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ireo fanamby napetraka tanatin’ny vina nofaritan’ny filohan’ny repoblika . Ny andinindinin’izay anatin’ny matoan-dahatsoratra

Taom-pambolen-kazo 2019-2020: nosokafana ara-pomba ofisialy androany

0
Hampanarahana ny teknolojia ny teknika fambolena amin’ireo toerana saro-dalana. Hamafisina ny fanentanana ny olompirenena manerana ny nosy hahatsapa ny lanjan’ny famboen-kazo. Hitadiavana vahaolana ihany koa ireo loharano mandripaka ny ala mifandraika amin’ny filan’ny mponina. Izay no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny filohan’ny repoblika nandritra ny fanokafana ny taom-pambolenkazo 2019-2020.

Fikambanan’ny  » auto école : mitaky ny hamerenana ny « permis rose »

0
Nanao fihetsiketsehana niainga teo mamasina nihazo ny lalam-pirenena faha fito tamin'ity andraony ity ny fikambanamben'ny mpampianatra mamily fiara eto Madagasikara. Takian'izy ireo ny famerenana ny permis rose mandrapahintana vahaolana amin'ny pérmis Biometrique.