vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 mars 2019

LTP Antsohihy : novatsiana fitaovana vaovao

0
Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana, novatsiana fitaovana vaovao hahafahana manao fampiharana ny mpianatra ao amin'ny Lycée Technique et Professionnelle Antsohihy. Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ihany koa ny Birao ho an'ny fitantanan-draharaha eo anivon'ny sekoly. Homena endrika vaovao ny fampiofanana arak'asa sy ny fampianarana teknika hoy ny minisitra tomponandraikitra.

Bealanana – Antsohihy : tafiakatra 30 000 Ariary ny saran-dalana

0
Adiny 8 hatramin'ny adiny 10 no hamitana ny lalana mirefy 120 Km mampitohy an'i Bealanana sy Antsohihy amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatr'izay miakatra avo 2 na 3 heny ny saran-dalana. Miaina ao anatin'ny fahasahiranana araka izany ireo mponina any an-toerana noho io faharatsian'ny lalana amin'izao fotoana io.

BAD sy ny UE : noraisin’ny Filohan’ny Repoblika

0
Nandray ny filoha lefitry ny BAD na ny Banque Africaine de devéloppement niaraka tamin'ny solontena maharitry ny BAD ny Filohan'ny Repoblika androany. Taorin'izay no nandraisany ihany koa ny avy amin'ny Vondrona Eoropeana.

« Permis de conduire » : tsy hisy ny famerenana ny « permis rose »

0
Tsy hisy ny famerenana ny permis rose raha ny angom-baovao azo antoka. Efa miroso amin'ny fametrahana vahaolana maharitra ny tomponandraikitra amin'izao fotoana izao. Fanatsarana ny Permis biométrique teo aloha raha ny fanazana hatrany no tanjona amin'izao fanovana izao.