Archives quotidiennes: 13 mars 2019

Raharaha zaridainan’Antaninarenina : 2 nahiditra am-ponja

0
Olona 2 no nahiditra am-ponja vonjimaika, manoloana ny raharaha famarotana ny zaridainan'Antaninarenina araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly alina. Tompon'antoka maro amin'ity raharaha ity ihany koa no mbola karohana ankehitriny. Isan'ny namoahan'ny fitsarana didy fampisamborana omaly i Lalaina BERTHNES, filohan'ny filan-kevitra monisipaly. Mety ho voakasiky

Fifidianana solombavambahoaka: nifarana androany ny fandraisana atotan-taratasy

0
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 5 ora hariva teo ny fe-potoana niasan’ny OVEC nandraisana ireo atotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka. Tato anatin’ny andro farany no hita taratra ireo kandida. Mizotra amin’ny dingana manaraka araka izany ireo mpikatroka sy mpikarakara ny fifidianana solombavambahoaka amin’ity taona ity.

Filoha Andry RAJOELINA : nitsidika toerana manan-tantara tao Maurice

0
Fitsidihana maro no nataon'ny filoha Andry RAJOELINA tao Maurice tamin'ity androany ity teo ihany koa ny fandraisana ireo olom-panjakana tonga any an-toerna. Nanamboka io hariva io ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovan-tena ny île Maurice izay hatao eo amin'ny Champ de Mars ao Port Louis.

Atelier – EFPA Ambatobe : narodan’ny vahiny milaza ho tompony

0
Niroso tamin'ny fandrodanana ny ampahan-tany fanaovan'ny mpianatra fampiharana ao amin'ny Ecole de Formation de Techniciens Agricoles eny Ambatobe ireo teratany vahiny milaza ho tompony tamin'ity androany ity. Miantso fandraisan'andraikitra ireo mpiasa ao amin'ny EFPA.