Archives quotidiennes: 14 mars 2019

Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana : miofana, hiadiana amin’ny kolikoly

0
Taorian'ny fepetra noraisin'ny fitondram-panjakana nandritry ny filankevitry ny minisitra, mikasika ny fampitsaharana anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fisavana ataon'ny polisy; manantanteraka fampiofanana ho an'ny PR na ny Police de la Route ny teo anivon'ny polisim-pirenena. Miompana be be kokoa amin'ny ady amin'ny kolikoly ity fiofanana tontosaina mandritry ny 2 herinandro ity.

Hala-jaza : olona 5 naiditra am-ponja vonjy maika, mitohy ny fikarohana

0
Olona 5 no voasambotry ny zandarimaria misahana ny heloka bevava eny Fiadanana voarohirohy amin'ny raharaha hala-jaza nitranga ny fiafaran'ny herinandro teo. Eo am-pikarohana ny tena ati-doha mikotroka izany amin'izao fotoana ny zandarimaria raha ny fanazavana.

Tany 80ha : tsy amidy amin’ny vahiny

0
Tsy marina ny filazana fa mivarotra tany amin'ny firenena Morisiana ny fitondram-panjakana araka ny fanazavana nentin'ny mpitondra tenin'ny governemanta androany. Tafiditra anatin'ny politikam-panjakana avokoa ny fifanarahana atao rehetra any Maurice, nandritry ny fitsidihan'ny filohan'ny Repoblika any an-toerana, ary entina hampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara izany raha ny fanazavana.

Antenimierampirenena: manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka

0
Ankoatra ny fanaovana tolo-dalàna sy ny fandaniana volavola-dalàna. Manana andaikitra amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ny fahefana mpanao lalàna. Eo ihany koa ireo fahefana sy adidy tokony ho tanterahany izay voarakitraa natin’ny lalampanorenana. Taterina aminao anatin’ity fanadihadiana ity ny andinindinin’izay.