Archives quotidiennes: 19 mars 2019

Minisitra kandidà : tsy voatery hametra-pialàna

0
Tsy voatery hametra-pialàna ny minisitra kandidà ho solombavambahoaka. Ny tovana ao amin’ny lalàna 2018-008 no mamaritra izany, araka ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fandihadiana Fanampim-panazavana.

Ambatobe sy Tsarasaotra : toerana 2 no nanatanterahana « scellage »

0
Toerana 2 androany no nogeazina na nanaovan'ny teo anivon'ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy scellage, ny tetsy Ambatobe misy ireo Arboretum, sy ny tany misy fanotofana tsy ara-dalàna etsy Tsarasaotra. Tamin'ny alalàn'ny didy maneho ny fampiharana ny fanageazana nivoaka ny taona 2017 no nantanterahana izany androany.

Mponin’Antananarivo : mikaikaika amin’ny fahatapahan’ny ranon’ny JIRAMA

0
Mitohy ary mihamafy ny fahatapahan'ny rano fisotro madio eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao fotoana izao. Ambondrona, Avarabohitra, Antamboholava, Ambohibao, Ankadindravola, isan'ireo mikaikaika amin'ny fahatapahan'ny rano vokarin'ny orinasa Jirama.

Raharaha ENMG : natolotra ny PAC ireo olona 3 voakasika mivantana

0
Herintaona aty aorian'ny nandorana ireo taratasim-panadinana, notanana ho porofona trangana kolikoly teny amin'ny ENMG, niroso tamin'ny fakana am-bavany ireo olona voakasik'izany ny tomponandraikitra. Olona 3 no voakasik'izany mivantana raha ny nambaran'ny BIANCO.