vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 mars 2019

Firotsahana kandidà Solombavambahoaka : 803 tamin’ny 862 no notanana

0
Taratasy firotsahana ho kandidà Solombavambahaoaka miisa 803 tamin’ireo 862 voaray teny amin’ny OVEC 119 manerana ny Nosy no nambaran’ny CENI fa azo raisina androany teny Nanisana.

Fandraisana mpiasam-panjakana : tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifaninana

0
Nampiatoana nandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandraisana mpiasa tsy raikitra na ny ECD sy ny EFA. Tsy hisy intsony manombok’izao ny fandrasiana ho mpiasam-panjakana ivelan’ny fifaninana raha ny fanazavana azo teo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana.

Rano Antananarivo

0
Manoloana ny olana amin'ny famatsiana rano vokarin'ny orinasa Jirama eto Antananarivo sy ny manodidina, nanambara tamin'ity androany ity ny tomponandraikitra eo anivon'ny orinasa fa afaka enim-bolana ny vahaolana haingana indrindra. Ny fahanteran'ny fitaovana, ny fisian'ny gaboraraka no voalaza fa antony mahatonga ny fahatapahan'ny rano.

Raharaha Zaridainan’Antaninarenina : 4 no mbola karohana

0
Olona 4 no mbola karohana ankehitriny manoloana ny raharaha famarotana ny zaridainan'Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy, araka ny vaovao teo anivon'ny zandarimariam-pirenena io hariva io. Mbola anatin'ny fitsaboana ilay filohan'ny filan-kevitra monisipaly amin'izao fotoana izao , raha ny vaovao voaray hatrany. Ity farany izay voarohirohy amin'ity raharaha ity.