Archives quotidiennes: 21 mars 2019
Vidin’ny harina fandrehitra : mifanakaiky amin’ny akora fandrehitra hafa
Tsy mifanalavitra amin’ny fampiasaina loharanon’angovo sy akora fandrehitra hafa ny fandanian’ny tokantrano mampiasa harina fandrehitra. Manodidina ny 2 arivo Ariary isam-bola ny elanelan’ny vola mivoaka amin’ny tokantrano 2 mampiasa akora fandrehitra samy hafa raha ny fanadihadiana.
Haino aman-jery tsy manara-dalàna : handraisana fepetra
Handraisan'ny eo anivon'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina fepetra avokoa ireo haino aman-jery tsy manara-dalàna araka ny nambaran'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy androany. Hisy mialohan'izay raha ny fanazavana ny fanomezana fe-potoana hahafahan'ireo tompona haino aman-jery voakasika, hampanara-dalàna ny atonta-taratasiny.
Fifidianana Solombavambahoaka : Ambatondrazaka no be kandidà indrindra
Ny fari-pifidianan’Ambatondrazaka sy Mahajanga Voalohany no maro indrindra ireo kandidà nirotsaka ho fidiana Solombavambahoaka. Mahatratra 19 izany ho an’Ambatondrazaka ary 15 kosa ho an’i Mahajanga Voalohany.
Slalom 2è édition Wynn’s : tontosaina ny 23 sy 24 Martsa izao
Fanokafana ny fotoam-pilalaovana sport auto miaraka amin’ny Club TMF Rallye . Tontosaina ny faran’ny herinandro izao ny andiany faharoa amin’ny Slalom Wynn’s eny Ivato.