samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 mars 2019

29 Martsa 1947 : hamelomana ny fitiavan-tanindrazana

0
Ny fahatsapantena sy ny fiarahamientan’ny olompirenena tsy ankanavaka no ahafahana manarina haingana ny firenena. Io no hevi-dehibe novoizin’ny teo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena nandritra ny fanokafana ny fampirantiana momba ny 29 martsa 1947 tetsy Analakely. Tokony handray lesona amin’ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo mahery fon’ny firenena ny rehetra hoy ny fanazavana.

Lapan’Iavoloha : nandray vahiny 3 samy hafa

0
Vahiny 3 samy hafa no noraisin’ny Filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapan’Iavoloha androany maraina. Tonga nanolotra ny taratasy fanendrena azy ireo hiasa eto Madagasikara ny ambasadaoron’ny firenena Roumane sy Norveziana. Nihaona manokana tamin’ny minisitra lefitra japoney ihany koa ny Filohan’ny Repoblika.

Fanorenana manoloana EPP Behoririka : tsy ara-dalàna

0
Maro ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fanorenana trano etsy amin'ny EPP Behoririka; araka ny fidinana teny an-toerana nataon'ny teo anivon'ny fitsarana momba ny ady atao amin'ny fanjakana, niarahana tamin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, sy ny solontenan'ny kaominina Antananarivo io maraina io. Niakatra fampanoavana androany ihany koa ity raharaha ity.

Taova-kena : manomboka 200 Ar dia efa mahazo

0
Lafim-baovao hafa tanteraka indray kosa, manomboka amin'ny 200 ariary dia efa mahazo taovan-kena eny amin'ny tsenan'Isotry. Tsy vitsy ireo mpanjifa no misafidy manokana ny taova-kena eny an-tsena noho izy mora vidy.