Archives quotidiennes: 31 mars 2019

29 Martsa 1947 – Moramanga : tokony hamafisina ny fitiavan-tanindrazana

0
Ny famelomana ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisankina eo amin’ny samy Malagasy. Io no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenanan’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila nandritra fanamarihana ny datin’ny 29 Martsa tany Moramanga. Namafy ny fahavonony hametraka ny tena fampandrosoana sy ny fiahiana ireo akanga sisa nanamborana any an-toerana ny filoham-pirenena.

Ady amin’ny hosoka : olona 3 no voasambotra

0
Olona 3 no voasambotry Brigade Anti-piratage ka naterina teny amin'ny fampanoavana omaly noho ny fanaovana hosoka. Olona 2 hafa kosa no mbola karohina mafy amin'izao fotoana izao. Antony, voararan'ny lalàna ny fanaovana dika mitovy tsy nahazoana alalana sy ny fivarotana ny asan'ny mpanakanto.

29 Martsa 1947 -29 Martsa 2019 : fotoanan’ny fanovana

0
Tanteraka soa amantsara ny fanamarihana ny faha 72 taona ny tolo-panavotana 1947 androany teto an-drenivohitra. Fotoanan’ny fanovana ny fametrahana ny ambom-po pirenena . Izay amin’ny ankapobeny ny hevitra niraisan’ireo nanamarika izany.

Media Award 2019 : fankasitrahana ny mpanao gazety, notontosaina omaly

0
Mpanao gazety 13 no azao nandresy tamin'ny fifaninanana Media Award 2019, fifaninanana eo amin'ny tontolon'ny fiarovana ny ankizy, nokarakarain'ny UNICEF. Isan'ireo nandresy ny mpanao gazetin'ny KOLOTV/FM, Fehizoro Rafaly.

Fanorenana tsy ara-dalàna – Behoririka : narodana ny trano androany

0
Niroso tamin'ny fandrodanana ny trano eo anoloan'ny EPP Behoririka ny fitondram-panjakana tamin'ity androany ity tamin'ny alalan'ny fampiharana ny didim-panjakana 2. Anton'ny fandrodanana ny tsy fanaran-dalànan'ity fanorenana ity.

Fikojana ny lalana : mitazam-potsiny ny CUA

0
Mitazam-potsiny ny fikojana sy fanamboaran-dalana ny kaominina Antananarivo renivohitra efa an-taonany maro izao. Tsy hita taratra ny fanaovana ireo « TRAVAUX D’URGENCE » miainga avy amin’ny fitarainana eny ifotony raha ny fanadihadiana. Tranga maneho izany ny fahatotoran’ny lalana etsy ANDRAINARIVO.

« Permis » sy « Carte grise biométrique » : hivoaka afaka 45 andro

0
Hivoaka afaka 45 andro ny permis sy ny carte grise biométrique manaraka ny fenitra hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana tamin'ity androany ity teny Anosy. Maimaimpoana ny fanoloana ho an'ireo izay efa nahazo permis na carte grise biometrique teo aloha.

Sambo flying : 17 lahy voaheloka higadra 5 taona, miampy onitra 10 tapitra Ar

0
Famonjana 5 taona eto Madagasikara, onitra 10 tapitrisa ariary tsirairay. Izay no sazy azon’ireo tatsambo aziatika 17 tao anatin’ny sambo Flying taorian’ny fitsarana azy ireo ny 26 martsa lasa teo.