Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

Fanorenana manoloana EPP Behoririka : tsy ara-dalàna

0
Maro ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fanorenana trano etsy amin'ny EPP Behoririka; araka ny fidinana teny an-toerana nataon'ny teo anivon'ny fitsarana momba ny ady atao amin'ny fanjakana, niarahana tamin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy, sy ny solontenan'ny kaominina Antananarivo io maraina io. Niakatra fampanoavana androany ihany koa ity raharaha ity.

Taova-kena : manomboka 200 Ar dia efa mahazo

0
Lafim-baovao hafa tanteraka indray kosa, manomboka amin'ny 200 ariary dia efa mahazo taovan-kena eny amin'ny tsenan'Isotry. Tsy vitsy ireo mpanjifa no misafidy manokana ny taova-kena eny an-tsena noho izy mora vidy.

Zaridainan’Antaninarenina : olona 1 hafa nalefa any am-ponja

0
Tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo iray no nahiditra am-ponja vonjimaika taorian'ny fanadihadiana nataon'ny teo anivon ny zandarimariam-pirenena, mikasika ny raharaha famarotana ny zaridainan' Antaninarenina. Hatreto mbola misy ireo karohana raha ny fanazavana.

Fametrahana « Puce électronique » : najoro ny komity mpandrindra

0
Najoro androany ny "Comité de pilotage" na ny Komity mpandrindra ny tetikasan'ny filohan'ny Repoblika amin'ny fametrahana ny "Puce électronique" amin'ny omby. Ady amin'ny tsy fandriampahalemana, izay mampitaraina ny vahoaka amin'izao fotoana no tanjona.

Vola : maro amin’ny Malagasy no tsy mahakojakoja

0
Ny tsy fahazarana no isany mahatonga ny Malagasy tsy mahakolokolo ny vola eo am-pelatanana ka miteraka fahasimbana haingan’ny vola taratasy. Adidin'ny tsirairay anefa ny mikolokolo sy manaja ny vola.

Fitsaram-bahoaka tany Ikongo : olona 4 voasambotra

0
Olona 4 no voasambotra hatreto taorian’ny raharaha nahafatesana vehivavy iray, izay nitarika fitsaram-bahoaka tany IKONGO ny faha-20 ny volana lasa teo. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisin’ny OMC sy ny tonia mpampanoa làlana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany hifehezana izany.

Raharaha 1947 : tsy tompon’antoka ny MDRM

0
Teboka maro no mila ampahafantarina ny Malagasy momba ny raharaha 1947. Santionany ny maha tsy tompon’antoka ny MDRM tamin’ny fipoahan’ny korontana nahafatesan’ireo maherifon’ny firenena hoy ny ILONTSERA. Nanamafy iz ny tahirin-kevitra farany azo tany AIX-EN-PROVENCE any La Frantsa

Fifidianana solombavambahoaka : misy kandidà manana raharaha eny amin’ny HCJ

0
Miantso ny tomponandraikitra isan'ambaratongany mikarakara ny fifidianana solombavambahoaka ny KMF/CNOE andray ny andraikiny. Antony misy amin'ireo kandida no manana raharaha eny anivon'ny fitsarana amin'izao fotoana izao.

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana : fitiavan-tanindrazana marina no ilaina.

0
Nahafoy ny ainy ho an'ny fitiavan-tanindrazana ireo havantsika maty ny taona 1947. Enga anie tsy ho diso fahavalo isika amin'izao fotoana ka ny samy Malagasy no hifamono sy hifanenjika. Io no hafatra lehibe nampitain'ny Mpitandrina flohan'ny FJKM ho an'ny Malagasy nandritra ny vavaka iraisam-pinoana natao teny amin'ny Katedraly FJKM Analakely androany.

Maroantsetra : maro ireo ankizy voan’ny kitrotro

0
Manodidina ny 200 mahery ny zaza voan’ny aretrina kitrotro any amin'ny distrikan'i Maroantsetra. Ny tsy fahavitana vaksiny no antony nampirongatra ity valan’aretina ity tany antoerana eo ihany koa ny tsy fahazotoan'ny ray aman-dreny manao vakisiny ny zanany.