vendredi 26 avril 2024
Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

Edito du 24 mars 2019

0
Roa volana izay no lasa nandraisan’izao fitondrana izao fahefana. Mihazakazaka ny zava-drehetra. Tsy misy andraso andraso ny asa fanarenam-pirenena. Fanamby rahateo ny hoe enim-bolana hanaovana tombana, herintaona hifampitsarana. Mazava ho azy tsy misy toerana ho an’ny tsy afaka ny raharaha, fa avela hanao izay « competent », hoy ny fiteny amin’izao fotoan’ny hazakazaka hanarenam-pirenena izao.

Slalom 2ème édition Wynn’s : nanomboka androany

0
Notontosaina teny amin'ny circuit TMF Ivato nanomboka tamin'ity androany ity ny Slalom 2ème édition Wynn’s. Niisa 27 ireo mpanamory nandry ny fiaingana ary hitohy rahampitso ny hetsika

Taom-baovao Malagasy : hankalazaina ny 04 hatramin’ny 07 Aprily ho avy izao.

0
Mandritra ny 4 andro no hankalazana ny tamo-baovao Malagasy amin'ity taona ity ary hentsika maro samihafa no ho hita mandritra izany. Ny taom-baovao Malagasy izay nanana ny anjara toerany teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ary tsy mijanona amin'ny maha fomba sy kolontsaina azy fotsiny ihany.

Vary mora : natomboka androany ny fizarana tao Toamasina.

0
Natomboka androany ny fizarana ny vary mora tao Toamasina araka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Miisa 22 ny Point de vente nahafahan'ny mponina nividy izany tamin'ny 1000 Ariary ny kilao. Nanamafy hatrany ny solotenan'ny governemanta tonga tany an-toerana fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin'ireo mikasa hanodina izany.

Fakàna an-keriny Tsaratanàna : olona 1 maty

0
2 andro taorian’ny famoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka, kandidà iray any Tsaratanàna no fantatra fa maty novonoin’ny mpaka an-keriny. Mbola mitohy ny fanadihadiana .

Hetsika fampandriana fahalemana : miaramila iray no lavon’ny bala

0
5 andro taorian'ny fandefasana andiana miaramila any amin'ny faritra avaratra andrefan'ny Nosy, nafana ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ny dahalo. Vokatr'izany, mpitandro ny filaminana iray maty lavon'ny bala, dahalo 30 voasambotra.

Fifidianana Solombavambahoaka : natao androany ny atsapaka.

0
Araka ny tetiandro napetraky ny CENI, notanterahina androany ny "atsapaka" amin’ny filaharan’ireo kandidà Solombavambahoaka ao anaty biletà tokana. Natao teo imason'ny kandida sy ireo mpanohana azy tsirairay avy ny fikarakarana rehetra, ho enti-milaza fa nangarahara tanteraka ny "atsapaka".

Base Toliara : andrasana ny fanapahan-kevitra

0
Taorian’ny fitarainana samihafa momba ny orinasa Base Toliara. Nitondra fanazavana momba fifanaraham-piarahamiasa sy ny fomba fiasan’ny Base Toliara androany ny tomponandraikitry ny orinasa. Voafehin’ny lalàna Malagasy sy iraisam-pirenena momba ny fitrandrahana ny BASE TOLIARA raha ny fanazava

UTOP Madagascar : hotontosaina ny andiany faha-11

0
Hotanterahana ny faha-3 hatramin’ny faha-5 ny volana may ho avy izao ny andiany faha-11 ny fifaninanana UTOP Madagascar. Hisy fanovana ny halaviran-dalana ao anatin’ireo sokajin-hazakazaka hifaninanana amin’ity andiany faha-11 ity..

JIRAMA Antalaha : nodoran’ny vahoaka omaly

0
Olona roa no maty omaly ary nisy ihany koa ireo naratra mafy taorian'ny fihetsiketsehana nataon'ireo vahoaka ao Antalaha nanohitra ny fahatapahan-jiro lavareny. Nodoran'ireo vahoaka ny biraon'ny JIRAMA tany an-toerany. Nidina teny ifotona ny paraiministra lehiben'ny governemanta nijery ny zava-nisy ary nitondra vahaolana mahakasika ity fahatapahan-jiro ity.