Archives quotidiennes: 1 avril 2019

FEFFI – EPP Analakely : nahodikodin’ny birao ny vola, hoy ireo ray aman-dreny

0
Tontolon'ny fanabeazana, ahian'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny EPP Analakely ho nahodikodin'ireo birao eo anivon'ny FEFFI na ny Farimbon’ny Ezaka ho an’ny Fahombiazan’ny Fanabeazana eny Ifotony ny volan'ny fikambanana eo anivon'ity sekoly ity. Tsy misy ny mangarahara, manjaka ny ramatahora hoy ireo ray aman-dreny.

Run – Arivonimamo rahampitso : hisy fiara vita malagasy andray anjara

0
Hisy fiara vita malagasy andray anjara amin'ny run tanterahina eny Arivonimamo rahampitso. Nanomboka ny volana desambra teo ireo teknisiana malagasy no nanomboka ny fanamboarana ary izao vita izao ny fiara.

Fandraisana ny Pape François : hatomboka amin’ny herinandro ny fanomanana ny toerana.

0
Hatomboka amin'ny herinandro ny fanomanana ny toerana handraisana ny Pape François amin'ny lamesa lehibe izay ho tarihiny ny faha 8 ny volana septambra ho avy izao. Nidina nijery ifotony ny toerana ny filohan'ny repoblika sy ny teo anivon'ny fiangonana katolika izay tarihin'ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, arsevekan'Antananarivo.

Taranja Tennis : misokatra ny Tennis Performance Madagascar

0
Nampahafantarina tamin'ity androany ity teny Ambohipo ny fisokafan'ny Tennis Performance Madagascar, hampiofanana sy hampianarina ireo mpilalao tennis mahafeno fepetra. Tanjona ny hampiakatra ny lentan'ny tennis fa ihany koa ny hanana mpilalao sangany maneran-tany hisolon-tena an'i Madagasikara.