Archives quotidiennes: 3 avril 2019

Autisme : tsy mbola misy fitsaboana manokana

0
Mitombo ny tahan’ny malagasy AUTISTE tao anatin’ny 5 taona. Mbola tsy misy fitiliana sy fitsaboana izany manokana hetreto. Ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana azy ireo no hanamaivana ny fitsaboana raha ny fanazavana, nandritra ny herinadro ho fanentanana ny ady amin’ny Autisme eto Madagasikara.

Lalana Rocade Atsinanana : maro no efa nisitraka ny onitra

0
Miisa 39 ireo nahazo onitra avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenanana ary ny asa vaventy hatreto manoloana ny fanamboaran-dalana "rocade antsinanana" . Ny lafiny antonta-taratasy raha ny fanazavana no manano-sarotra amin'ny fandoavana izany. Miroso hatrany ankilany ny asa eny an-toerana.

Pety RAKOTONIAINA : migadra herintaona

0
Sazy miatra 12 volana an-tranomaizina. Izay no vokatry ny didy nivoaka taorian’ny fotoam-pitsarana an’i Pety RAKOTONIAINA. Fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena, fikasana hanangana fanjakana ao anatin’ny fanjakana no niampangana azy.

Fianianan’ny Filoha Macky Sall androany : filohampirenena maro no nanatrika

0
Tontosa tamin'ity androany ity tao amin'ny CENTRE EXPOS DIAMNIADIO-Senegal ny fianianan'ny filohampirenena Senegalais Macky Sall. Filohampirenena maro no tonga nanatrika izany toa ny filoha Andry Rajoelina. Nanambara ny Filoha Macky Sall fa fotoana izao hiaraha-mientana hisian'ny fampandrosoana aty Afrika.