Archives quotidiennes: 5 avril 2019

Sandan’ny Ariary : tsy mbola mari-toerana

0
3 volana voalohan’ny taona. Tsy mbola mari-toerana ny Ariary. Ankoatry ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany entina mampiditra vola vahiny betsaka eto amintsika, ilaina ihany koa raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena ny fampitomboana ny tahan’ny fanondranana entana makany ivelany.

Lalàna mifehy ny serasera: 1000 andro androany no nandaniana azy

0
Arivo andro katroka amin'ity androany ity no nandaniana ny lalàna mifehy ny serasera laharana 2016-029 izay niteraka resabe sy hetsi-panoherana maro manerana ny nosy. Eo am-pamomlavolana ny paikady haroso hanitsiana izany ny fitondrana ankehitriny.

Fetim-pirenena – Sénégal : natrehin’ny filohampirenena Andry RAJOELINA mivady

0
Nomarihina tamin'ity androany ity ny faha-59 taona nahazoan'i Sénégal ny fahaleovantena. Nahazo fanasana manokana avy amin'ny filoha Macky Sall hanatrika izany ny filohan'ny repoblika Andry RAJOELINA mivady.

RAVALOMANANA Marc : manafangaro ny raharaham-panjakana sy ny tombotsoa manokana

0
Mitohy ny fanafangaroan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fiarovana ny tombotsoa manokana sy ny raharaham-panjakana. Ny mikasika ny tany misy ny village voara Andohotapenaka indray no hisehoan'izay ankehitriny. Hita taratra ny fiarovan'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo tombotsoa an'olom-bitsy araka ny fanadihadiana.