Archives quotidiennes: 11 avril 2019

Andramena : mbola mitohy ny fanondranana an-tsokosoko.

0
Mbola mitohy ny fanondranana an-tsokosoko ny Andramena eto amintsika amin'izao fotoana izao. Bolabola miisa 93 tao anaty Camion no sarona tany Anjazafotsy Betafo ny alatsinainy lasa teo. Ankilan'izay, minisitra iray teo amin'ny fitondrana teo aloha no voatonontonona sy voarohirohy amin'ny fanondranana an-tsokosoko Andramena.

Mpiasan’ny fananan-tany : niverina niasa ara-dalàna

0
Niverina amin'ny laoniny ny asa rehetra eny anivon'ny sampandraharahan'ny fananantany sy ny fandrefesantany ankehitriny, izay no nambaran’izy ireo androany. Nanamafy ireto farany fa miroso hatrany amin'ny fijerevana vahaolana iarahana amin'ny tompon'andraikitra.

Fitafy malagasy ankehitriny : mitena akanjo ny vehivavy

0
Nanaraka ny fivoaran’ny fifanarahan’ny malagasy tamin’ny vahiny ny fivoaran’ny fomba fiakanjo . Izay raha ny fanazavan’ny mpandalina ny tantara malagasy. Raha toa ka nisy dikany avokoa ny fomba fiakanjo , na ny lamba niakanjona teo aloha, amin’izao kosa raha ny fanazavana, niova tanteraka iay fomba izay.

10 aprily 2019 : vita sonia ny famatsiam-bola RN 5A (150 km)

0
Androany faha-10 aprily 2019 maraina tamin’ny 10 ora sy sasany vao vita sonia ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny fitondrana Sinoa teny amin’ny Lapan’Iavoloha, amin’ny famatsiam-bola ny fanamboarana ny lalàna RN 5A mampitohy an’Ambilobe amin’i Vohémar. Lalàna izay efa nampikaikaika ny mponina any amin’ny Faritra SAVA sy DIANA ampolon-taonany maro.