Archives quotidiennes: 12 avril 2019

Olompirenena : tsy ampy fanentanana

0
Tsy ampy ny fanentanana ny olompirenena amin’ireo tetiandro ahafana manamarina na mampiditra ny anarany anatin’ny lisi-pifidiana. Efa nikatona ny tapaky ny volana martsa teo izay fanoratana anarana izay, amin’izao fotoana izao vao maro ny olompirenena tonga eny amin’ny fokontany.

JIRAMA : tsy miankina amin’ny fanampiana ara-bola ny fanarenana

0
Miankina amin'ny politikam-panjakana sy ny fepetra raisina manoloana ny toe-java-misy eo anivon'ny orinasa Jirama no ahafahana manatsara ny tolotr'ity orinasa ity indrindra mikasika ny vidin-jiro sy rano, araka ny nambaran'ny banky iraisam-pirenena androany. Maro ireo tetikasa tanterahana ankehitriny, ahafahana manatratra ny tanjona ny amin'ny tsy hanampian'ny fanjakana ara-bola ny JIRAMA intsony .

Rova Manjakamiadana : mariky ny firaisam-pirenena

0
Androany maraina no notanterahina ny ny lanonana manamarika ny fanombohan'ny asa famitana ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana. Ny famitana ny asa fanarenana ny Rova dia hanandratana indray ny fiandrianam-pirenena, hoy ny Filoha Rajoelina Andry, ary hamelomana indray ny ambompom-pirenena, entina hanavotana sy hampandrosoana an'i Madagasikara.

Fanolanana : nirongatra ny fanolanana ataon’ny olom-pady

0
Niakatra 27,1 % ny fitarainana voaray momba ny trangana fanolanana teto Antananarivo sy ny manodidinana tao anatin’ny 8 taona. Ankoatran’ny fanolanana ataon’ny mpiray vodirindrina sy ny sakaizany, isan'ny nahazoana fitarainana maro ihany koa ny fanolanana ataon’ny olom-pady.