Archives quotidiennes: 15 avril 2019

CIM Antananarivo : trangana kolikoly tratran’ny BIANCO

0
Fitarainan’olona tsy fantatra napetraka teny amin’ny biraon’ny BIANCO tamin’ny volana martsa lasa teo no nahafahan’ny BIANCO nanao famotorana ka nahatratrarana tambajotrana mpanao kolikoly ao amin’ny CIM na Centre d’Immatriculateur de Madagascar etsy Ambohidahy Antananarivo. Olona 18 no voarohirohy amin’izany ka isan’izany ny Chef CIM.

Chocolat avy eto Madagasikara : reharehan’ny Malagasy

0
Manana ny maha izy azy eto amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny chocolat avy eto Madagasikara, izay no nivoitra nandritra ny salon du chocolat tetsy Anosy notanterahina tamin’ity androany ity.

Filoha Andry RAJOELINA : hanokatra orinasa any amin’ny faritra SAVA

0
Nandritra ny diany tany Ambilobe, nanambara ihany koa ny filohan’ny repoblika fa hitsinjo manokana ireo vehivavy ny fitondrany, hisy ny orinasa hosokafana hahafahana manome asa ho an’ny tanora indrindra ny vehivavy, ary hisy ihany koa ny famatsiam-bola hanampiana ireo tanora manana tetik’asa.

RN 5 A : ho nofy tanteraka ny godra

0
Araka ny teny nomen’ny filohan’ny repoblika, natomboka omaly ny asa fanarenana ny lalam-pirenena RN5 A, Ambilobe Vohemar. Lalana izay efa nampanantenain’ireo mpitondra nifandimby an-taonany maro. Ankehitriny, tsy nofy intsony izany.

Fanafihana Ambohimanambola : jiolahy 2 no maty voatifitra.

0
Tamin'ny 01 ora sy fahefany teo ho eo, andiana lehilahy miisa 04 no nanantona sy nanambana basy ary nibosesika hiditra tao anatin'ny fiaraben'ny BRINKS izay handeha hanao chargement an'ny DAB BNI teo amin'ny niveau Jovena Amoronakona by pass. Lavon'ny mpitondro filaminana ny 02 tamin'ireo Jiolahy.

Edito du 13 avril 2019

0
Sasa-nangy samihafa tanteraka ny fampanantenana poaka’aty sy ny asa avy hatrany. Efa tofoka sy leon’ny fampanantenana tsy notanterahina ny vahoaka Malagasy ampolo-taonany maro. Asa avy hatrany izay azo tsapain-tanana no ilaina sy takian’ny vanim-potoana iainana ankehitriny. Efa nilaozan’ny toetr’andro ny kobaka am-bava.

Ady amin’ny herisetra : voatendry masoivohon’ny UNFPA i RAJOELINA Mialy

0
Notendren’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny mponina ho masoivohony momba ny herisetra miankina amin’ny saranga ny vadin’ny filohan’ny repoblika Mialy RAJOELINA. Io no nivoitra nandritra ny fanamarihana ny faha-50 ny UNFPA tetsy Anosy omaly. Nohamafisiny tamin’izany ny fahavononay hampitsahatra tanteraka ny endrika herisetra mianjady amin’ny zaza amam-behivavy « na ny zero tolérance ».

« Assemblée genérale – « VMMM : notanterahina androany.

0
Notanterahina androany ny fivoriam-be fanao isan-taona ho an'ny fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Ho tohizana ary ho hatsaraina hatrany ny asa fanasoavana vahoaka ary hiitatra amin'ny sehatra vaovao izany. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fizarana mari-pankahasitrahana ary ny fifidianana izay ho filohan'ny fikambanana sy ireo mpikambana handrafitra ny birao nasionaly.

Kandidà ho solombavambahoaka : tokony hanaja ny « toky nomena »

0
Ho famenoana ny fahabanganeo amin' ny lalana mifehy ny fifidianana, napetraka ny fifanarahana toky nomena hanaraha-maso ny kandida ho solombavambahoaka. Tanjona ny hametrahana ny fanovana marina sy ny mangarahara eo anivon'ny Andrimpanjakana rehetra eto amin'ny firenena.

Mpivarotra tsy ara-dalàna – Pavillons : tsy mandray andraikitra ny CUA

0
Mitaky ny fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna manoloana ny pavillons ny fikambanan’ny mpivarotra etsy Analakely. Hiroso amin’ny dingana manaraka ny fitakiana ny alatsinainy ho avy izao raha tsy misy fandraisana fepetra matotra avy amin’ny kaominina.