Archives quotidiennes: 16 avril 2019

Ankatso : nirefotra ny baomba madatsa-dranomaso

0
Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ankatso taorian’ny tora-bato nataon’ireo mpianatra manatanteraka fitokonana mitaky ny hiverenan’ireo mpampianatra hiasa. Tsy tomponantoka amin’ny fitokonana ataon’ny mpianatra sy izay mety ho vokany ny SECES, hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo.

Loholona HVM : hanala ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAKOTOVAO Rivo

0
Loharanom-baovao mari-pototra no nahafantarana fa mangataka ny fialàn’i RAKOTOVAO Rivo tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona intsony ireo Loholona HVM, ary mangataka fivorian’ny Antenimierandoholona tsy ara-potoana hanatanterahana izany.

Fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra : manomboka ny asa

0
Ho vitaina ato anatin'ny 10 volana ny fanamboara-dalana maro eto an-drenivohitra, isan'izany ny lalana mivoaka amin'ny lalam-prenena 1,2,3,4 ary ny faha-7. Niatomboka tato anatin'ny herinandro vitsy ny dingana voalohany, ny fanamboarana ny "trottoir" sy ny sisin-dalana.

Toetry ny andro : anatin’ny vanim-potoanan’ny fararano isika izao

0
Manomboka ny volana may no hiditra tsikelikely amin'ny vanin'andro ririnina isika araka ny nambaran'ny mpamantatra ny toetry ny andro. Anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano kosa isika ankehitriny raha ny fanazavana.