Archives quotidiennes: 17 avril 2019

Fanariana fako etsy sy eroa : ilana fanabeazana olompirenena

0
Hafantarana ny fandrosoan'ny firenena iray ny fahadiovana misy ao aminy. NY mahakasika ny fanariana fako sy fanajana ny manodidina indray no nanaovan’ny Agence Capsule, izay miara-miasa amin'ny KOLO TV fanadihadiana. Tokony hiainga avy ao an-tokatrano ny fitaizana amin'ny fitandrona ny fahadiovana raha ny fanazavan'ny mpiantsehatra amin'ny RF2 eny anivon'ny fokontany.

Mpivarotra – pavillon sy ny mpivarotra amoron-dalana : nahita marimaritra iraisana

0
Miato vonjimaika ny hetsika mampifanolana ny mpivarotra eo amin'ny pavillon Analakely sy ireo mpivarotra amoron-dalana. izay no nivoitra, taorian'ny fihaonana teo amin'ny roa tonta natrehin'ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny prefet Antananarivo.

Antenimierandoholona : adin’ny samy HVM

0
Araka ny efa nitaterana taminao teto amin’ny fampahalalam-baovaon’i KOLO Tv/FM omaly, nampiantso mpanao gazety androany ireo Loholona HVM vitsivitsy nanamarina ny fisian’ny disadisa eo amin’ny samy HVM ao anatin’ity Andrimpanjkana ity.

Famarinana olona : ireo vehivavy avy any avaratra no tena lasibatra

0
Ny faritra avaratry ny nosy no nahitana vehivavy betsaka iharan’ny herisetra vokatry ny famarinana olona eto amintsika raha ny tatitry ny OIM. Lesoka ny fahataran’ny fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny famarinana olona. Ezaka maro no tokony hatevenina ilana ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra voakasika.