Archives quotidiennes: 18 avril 2019

Fifidianana solombavambahoaka : tokony hahay hifidy ny vahoaka

0
Fototra iray iankinan'ny fiainam-pirenena ny fananana solombavambahoaka mahatanteraka ny asa takiana aminy araka ny tokony ho izy. Fotoana hanamafisana ny fanabeazana olompirenena izao hoy ny mpandinika fiaraha-monina sy ny fiarahamonim-pirenena. Ilaina araka izany ny fahaiza-mifidy ho an'ny vahoaka Malagasy.

Mari-pahaizana hosoka – Mahajanga: olona roa nampidirina am-ponja

0
Tomponandraiki-panjakana ambony eo anivon’ny minsiteran’ny jono sy ny oniversiten’i Mahajanga no nampidirina am-ponja noho ny raharaha fampiasana mari-pahaizana sandoka. Ho entitra ankilany ny fanasazianasy ny fanadioavana isaky ny ministera sy radi-panjakana hoy ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa.

Kaominina Dabolava : 85%n’ny zaza no tsy mianatra fa mitrandraka volamena

0
Mbola maro amin’ireo zaza mipetraka any amin’ireo kaominina Ambanivohitra eto Madagasikara no tsy miditra an-tsekoly. Antony, ny tsy fahampian’ny enti-manana eo amin’ireo Ray aman-dreny. Isan’izany ny ao amin’ny kaominina Dabolava , distrikan’i Miandrivazo any amin’ny faritra Menabe.

Fetin’ny paska: mbola vitsy ireo mpandeha mivoaka ny renivohitra.

0
Amin’izao vanin’andro manakaiky ny fetin’ny paska izao hatrany. Nahitana fikarana 2 000 Ariary ny saran-dalana rezionaly. Isan’izany ny zotra mampitohy an’Atsirabe sy Antananarivo. Ny faran’ny herinandro izao no vinavinaina hihabetsaka ny mpandeha.