samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 avril 2019

Tale jeneraly vaovao ny Bianco: misokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy

0
Nisokatra ny Sabotsy teo ny fandraisana ireo antontan-taratasy ho an'ireo hosafidiana ho tale jeneralin'ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly. Ny 13 mai ny fara fanaterana izay antontan-taratasy izay eny amin'ny comite de sauvegarde de l' integrité. Ny filohan'ny repoblika no manana ny teny farany, raha ny fanazavana.

Toekarena manga – Madagasikara : tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy

0
Sehatra iray ahafahan'ny fitondram-panjakana mampidi-bola hiteraka fampandrosoana ho an'ny firenena ny économie bleue. Raha ny zava-misy, tsy vohatrandraka araka ny tokony ho izy ny ranomasina sy ny ranomamy ary ny harena ao aminy eto Madagasikara hoy ny mpisehatra amin'izany.

Mpilalao – Rugby à 7 : notolorana vary sy lelavola

0
Tafiditra anatin'ny fanomanana ny Jeux des Iles, nifarana omaly ny premier regroupement na ny fampivondronana voalohan'ny Ekipam-pirenena Rugby. Etsy ankilany, nanolotra vary sy lelavola ho an'ireo mpilalao sy ny mpanazatra ny mpiahy ny Rugby à 7, ny minisitra Hajo Andrianainarivelo androany.

PAC : misy raharaha 96 voaray

1
Saika isan’andro dia misy raharahana kolikoly miditra eny amin’ny PAC na ny Pôle Anti-corruption. Mahatratra 96 ankehitriny ireo raharaha voaray ao ankehitriny, ny kolikoly sy fanararaotam-pahefana ataon’ny mpiasam-panjakana ambony no maro, raha ny fanazavana voaray.