Archives quotidiennes: 23 avril 2019

EDITO du 23 avril 2019

0
Miroso isika amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka mba ahafahana manova ny andininy sasantsasany ao anaty lalam-panorenana, araka ny didim-panjakana nivoaka omaly nandritra ny filankevitry ny minisitra.

Fetin’ny paska : toy ny isan’andro ihany ho an’ny olona sasany

0
Amin'izao ankatoky ny fetin'ny paska izao, maro amin'ireo fianakaviana no miaina toy ny isanandro ihany, ny sakafo sy ny fandaharam-potoana maro samihafa. Ny hanina anio tadiavina anio, antony tsy nahafahana niomana hoy ireo tokantrano nanaovana fanadihadiana.

Rallye Passion Antsirabe 2019 : nanjakan’ireo fiara 4 roues motrices

0
Tontolon'ny fanatanjahantena, nifarana tamin'ity androany ity ny Rallye Passion Antsirabe 2019,. Nanjakan'ireo fiara 4 roues motrices tamin'ny ankapobeny ity rallye ity, izay fanokafafana ny taom-pilalaovana 2019.

Fananganana sampan-draharaham-panjakana : tokony ho faritan’ny didim-panjakana

0
Olana eo amin’ny lafiny lalàna no mipetraka ka tsy maintsy hanitsiana ny lalàna mifehy ny horonan-tsary eto Madagasikara hoy ny tale jeneralin’ny serasera. Didim-panjakana no tokony hamaritra ny fananganana sampandraharaham-panjakana na orinasam-panjakana. Tanjona ankilany ny hanatsarana sy hampiroboroboana hatrany ity sehatra ity hoy hatrany ny fanazavana.

Fifidianana Solombavambahoaka : tsy azo atao ny fihetsika miendrika dokambarotra

0
Nanamafy ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa voararan’ny lalàna ireo ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana kanefa hita sesilany amin’izao fotoana izao. Tafiditra anatin’izany ny fihetsika rehetra miendrika ho fanaovana dokam-barotra. Voafetra anefa ankilany ny fahefanan’ny CENI manoloana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna ireo.

MAHTP : hosokajiana karazana ny lalana

0
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny faha-17 aprily teo ny didy hitsivolana mifehy ny fotodrafitrasa momba ny lalana eto Madagasikara. Didy hitsivolana natao hanasokajiana ireo karazana lalana efa misy sy ireo vao haorina, toy ny arabe migodana.

Praiminisitra : tsy azo ekena ny fandotoana ny hasin’ny fitsarana

0
Misy ny manoa rina eto amin'ny tany sy ny firenena hoy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta. Tsy azo ekena ny fanimbana ny hasin'ny fitsarana sy ny fanakanana ny firoson'ny firenena ho an'ny amin'ny fanjakana tan-dalàna. Izay no nambarany nandritra ny famoahana ireo mpitsara teny Ivato tamin'ity androany ity.

Andry RAJOELINA : telo volana androany no nandraisany fahefana

0
Mizotra makany amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraka ny asann’y fitodnrana ankehitriny tao anatin’ny telo volana nandraisanyny fahefana. Asa maro no efa natomboka sy an-dalam-panatanterahana. Tanjona ny hampandroso ny firenena anatin’ny fotoana fohy.