Archives quotidiennes: 24 avril 2019

VOLAHAINGO Marie Thérèse : Kandida Solombavambahoaka – Bealanana

0
Tratra ny tanjona ary velom-panantenana ny vahoaka any an-toerana hoy ny Kandida isika rehetra miaraka amin'ny Andry RAJOELINA ao amin'ny ditsrikan'i Bealanana, nandritra ny hetsika fampahafantarana ny filatsahan-ko fidiana nataony tao Ambatoriha. Efa miroso ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa sy ny fanamboarana ny lalana mampitaraina ny mponina any an-toerana.

Famporisihina ny tanora ho tia mamaky boky : mbola eo ampitadiavana paikady

0
Tokony hanana ny anajara toerany eo amin’ny fiaraha-monina ny fitiavana vaky boky. Mbola ambany ny tahan’ny famakiam-boky raha eto Madagasikara, indrindra fa ny tanora, antony izay nanaovana hetsika lehibe androany tetsy amin’ny tranobokim-pirenena Anosy, hitadiavam-bahaolana hampitomboana io taha ambany io.

Fitsapa-kevi-bahoaka : ara-dalàna ny fiantsoana mpifidy

0
Tsy mifanohitra na mandika ny lalàna velona rehetra misy eto amin’ny firenena ny fiantsoan’ny Filohan’ny Repoblika fitsapa-kevi-bahoaka ho tontosaina miaraka amin’ny fifidianana Solombavambahoaka amin’ny faha-27 may ho avy izao.

Vatsin’ankohonana : 13,93 tapitrisa dolara ho an’ny taona 2015-2019

0
Fahombiazana no hita tamin’ny tomban’ezaka amin’ny fanampiana ireo fianakaviana tena sahirana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Vatsin’ankohonana sy ny ndao hianatra 2015-2019. Mitentina 13.93 tapitrisa dolara ny vola natokana ho amin’izany novatsian’ny banky iraisampirenena sy ny UNICEF. Ireo mpiara miombona antoka izay naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara.

Alatsinainin’ny Paska : niala voly ny vahoakan’Antananarivo

0
Ankoatra ny fitsangatsanganan'ny mpianakavy karazana fialamboly maro ihany koa no nisy nanodidina ireo toeram-pialam-boly teto Andrenivohitra sy ny manodidina. Fialamboly ho an’ny olontsotra, nampidi-bola ihany koa ho an’ireo mpikarakara.

Mpanao hira gasy an-dalam-be : mahasarik’olona hatrany

0
Na eo aza ireo kilalao sy karazana fialam-boly samihafa eny an-dalam-be , isan'ny mahasarika olona hatrany ireo mpanao hira gasy. Ankoatry ny fanandratana ny kolontsaina maha-malagasy, fotoavana entina hitadiavam-bola ihany koa izany, mitombo ny mpanjifa amin'ny vanim-potoana fety toa izao raha ny fanazavana.

Orinasa Base Toliara : tapitra anio ny « ultimatum » nomen’ny mponina

0
Tapitra omaly ny ultumatum nomen'ireo mponina ao amin'ny faritra Atsimo Andrefana ny orinasa Base Toliara izay manao ny fitrandrahana fasimainty any an-toerana. Manoloana izany, manao antso avo amin' ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena, andray ny andraikiny, handamina ny toe-draharaha.

Mpilatsaka an-tsitrapo: mila fahaiza-miaina anaty fiarahamonina

0
Anisan’ny mahaliana ireo mpilatsaka an-tsitrapo vahiny eto amintsika ny fomba fiaina any ambanivohitra sy ny tontolo iainana madio. Eo ihany koa ny fifampizarana ara-pomba sy fiteny eo amin’ny firenena niavian’izy ireo sy ny malagasy amin’ny toerana honenany. Ny tsy fanjarintsakafo kosa no olana goavana hitan’izy ireo eo amin’ny sehatra iasany avy. Araho ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazetin’ny kolo tv fm sy ny mpilatsaka an-tsitrapo amerikana.