Archives quotidiennes: 29 avril 2019

RAJOELINA Andry : manajà ny fisaraham-pahefana

0
Taorian’ny famoahan-kevitra nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mahakasika ny fitsapa-kevi-bahoaka iny dia sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Filohan’ny Repoblika nanajà tsy misy fiambahambana ny fisaraham-pahefana na « Séparation des pouvoirs ». Miandry ny fitsanganan’ny Antenimierampirenena izany ny fanaovana fitsapa-kevi-bahoaka.

Ady amin’ny herisetra : hametrahana fitsarana manokana

0
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ny fanombohan’ny ady amin’ny herisetra miankina amin’ny saranga. Hiompana betsaka amin’ny famolavolana lalàna vaovao sy ny fametrahana fitsarana manokana miady amin’ny herisetra izany, hoy ny vadin’ny filohan’ny repoblika no sady masoivohon’ny FNUAP.

HCC : miandry ny Antenimierampirenena ny fitsapa-kevi-bahoaka

0
Namoaka ny heviny io hariva io ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana mahakasika ny didim-panjakana nanainga ny mpifidy hiatrika fitsapa-kevi-bahoaka amin’ny Alatsinainy faha-27 may ho avy izao.

Fitazonana vonjimaika any am-ponja : miharatsy toerana i Madagasikara.

0
Miharatsy ny toerana misy an'i Madagasikara raha ny "Détention Provisoire" na fitazonana vonjimaika any am-ponja no resahana. Mihoatra ny fahafahana mandray ny isan'ireo voatazona any am-ponja ka mahatonga fanitsakitsahana ny zon'olombelona, hoy ny Amnesty International.

Fitsirihana fanorenana tsy ara-dalàna : mihatra amin’ny rehetra ny lalàna

0
Tany misy fanorenana tsy ara-dalàna teny Alarobia, no nanaovan'ny teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy fitsirihana androany. Tomponandraikitra eto amin'ny firenena amin'izao fotoana araka ny angom-baovao no tompon'ny fotodrafitr'asa eo amin'ny tany.

Antananarivo Renivohitra : mihena ny tahan’ny asa ratsy

0
Taorian'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny filohan'ny repoblika sy ny paikady napetrak'ireo tomponandraikitra isan-tokony, nihena ny tahan'ny asa ratsy eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina raha ny fanadihadiana natao. Na izany aza, mbola maro ireo tranga miseho eny anivon'ny fiarahamonina ka angatahana ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra.