Archives quotidiennes: 30 avril 2019

Bakalôrea : nivoaka androany ny datim-panadinana

0
Hanomboka ny faha-30 ny volana septambra ho avy izao ny fanadinam-panjakana bakalorea sokajy ankapobeny ho an'ity taom-pianarana 2018-2019 ity. Mifarana rahampitso amin'ny 6 ora hariva kosa ny fisoratana anarana .

Banky iraisam-pirenena : nanolotra 392 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara

0
Nandritra ny fanambarana niombonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry sy ny Filoha vaovaon’ny Banky iraisam-pirenena David MALPASS androany teny amin’ny lapam-panjaana Iavoloha no nahafantarana fa nanome vola mitentina 392 tapitrisa dolara amerikanina ny firenena Malagasy ny Banky iraisam-pirenena hanampiana ny tetikasa fampandrosoana eto amintsika.

Solika : tokony hidina ny vidiny

0
Tokony hidina ny vidin-tsolika eto Madagasikara araka ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika nandritry ny nanantontosany ny tatitra momba ny asa vita nataony omaly. Ambony raha oharina amin'ny firenena maro aty Afrika ny elanelam-bidy eo amin'izay famatsiana solika izay.

Tatitry ny zato andro: hahitana taratra ny finiavana ara-politika

0
Hahitana taratra ny fananan’ny mpitondra finiavana ara-politika hitondra fampandrosoana ny zato andro voalohany nandraisan’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina fahefana. Fanantenana no entin’izany ho an’ny vahoaka malagasy raha ny fanadihadiana natao. Teo ihany koa ireo fifanojoan’ny vina tamin’ny sosokevitra naroson’ireo mpisehatra samihafa eto amin’ny firenena.