Accueil 2019 avril

Archives mensuelles: avril 2019

Fianianan’ny Filoha Macky Sall androany : filohampirenena maro no nanatrika

0
Tontosa tamin'ity androany ity tao amin'ny CENTRE EXPOS DIAMNIADIO-Senegal ny fianianan'ny filohampirenena Senegalais Macky Sall. Filohampirenena maro no tonga nanatrika izany toa ny filoha Andry Rajoelina. Nanambara ny Filoha Macky Sall fa fotoana izao hiaraha-mientana hisian'ny fampandrosoana aty Afrika.

Fanarenana ny firenena : mitaky fiaraha-mientana

0
Ny fomba hatao hanarenana ny firenena, io indray no nitondran'ny agence capsule sy ny kolo tv ny fanadihadiana tamin'ity androany ity. Mitaky fiaraha-mientana avy amin'ny tsirairay izany ady izany indrindra fa ny fiovan'ny toe-tsaina.

Tsenan’ny akoho Andravoahangy : esorin’ny kaominina amin’ny toerany

0
Namoaka naoty manala ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny akoho Andravoahangy ny kaominina Antananarivo 3 ny faran’ny herinandro teo. Tsy eken’ny mpivarotra hatramin’ny farany ankilany ny fanesorana azy ireo noho ny antony tsy mazava.

Fetin’ny lainga : mahazo vahana eo amin’ny tanora

0
Kolontsaina vahiny, mahazo vahana eo amin'ny samy tanora ny fetin'ny lainga, voalohan'ny volana Aprily. Betsaka ireo nilaza ho voafitaka ho an'ireo tsy nahatadidy ity andro androany ity.

Faha 59 taonan’ny fahaleovan-tena ao Senegal : nasaina manokana i Madagasikara.

0
Hanomboka rahampitso faha 2 ny volana Aprily ny fankalazana ny faha 59 taonan'ny fahaleovan-tenan'i Senegal. Hisy ihany koa ny lanonana fametrahana amin'nyfomba ofisialy ny filoha MACKY Sall izay voafidy fanindroany tany an-toerana. Nasaina manokana hanatrika izany i Madagasikara.

FEFFI – EPP Analakely : nahodikodin’ny birao ny vola, hoy ireo ray aman-dreny

0
Tontolon'ny fanabeazana, ahian'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra ao amin'ny EPP Analakely ho nahodikodin'ireo birao eo anivon'ny FEFFI na ny Farimbon’ny Ezaka ho an’ny Fahombiazan’ny Fanabeazana eny Ifotony ny volan'ny fikambanana eo anivon'ity sekoly ity. Tsy misy ny mangarahara, manjaka ny ramatahora hoy ireo ray aman-dreny.

Run – Arivonimamo rahampitso : hisy fiara vita malagasy andray anjara

0
Hisy fiara vita malagasy andray anjara amin'ny run tanterahina eny Arivonimamo rahampitso. Nanomboka ny volana desambra teo ireo teknisiana malagasy no nanomboka ny fanamboarana ary izao vita izao ny fiara.

Fandraisana ny Pape François : hatomboka amin’ny herinandro ny fanomanana ny toerana.

0
Hatomboka amin'ny herinandro ny fanomanana ny toerana handraisana ny Pape François amin'ny lamesa lehibe izay ho tarihiny ny faha 8 ny volana septambra ho avy izao. Nidina nijery ifotony ny toerana ny filohan'ny repoblika sy ny teo anivon'ny fiangonana katolika izay tarihin'ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, arsevekan'Antananarivo.

Taranja Tennis : misokatra ny Tennis Performance Madagascar

0
Nampahafantarina tamin'ity androany ity teny Ambohipo ny fisokafan'ny Tennis Performance Madagascar, hampiofanana sy hampianarina ireo mpilalao tennis mahafeno fepetra. Tanjona ny hampiakatra ny lentan'ny tennis fa ihany koa ny hanana mpilalao sangany maneran-tany hisolon-tena an'i Madagasikara.