Archives mensuelles: mai 2019

Mpivarotra Tsena Analakely : iharan’ny fandrahonana

0
Filanjana sora-baventy no nanehoan'ireo mpivarotra Analakely ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny antsojay mahazo azy sy ny fandrahonana ataon'ny tomponandrikitra misahana ny fanorenana ny tsena tsy ara-dalàna eny an-toerana. Manao antso avo ireo mpivarotra mba hisian'ny fijerevana akaiky ny fampihorohoroana sy ny fanesorana azy ireo.

SRMV

0
Ao anatin'ny fikirakirana ny voka-pifidianana tanteraka ankehitriny ny eo anivon'ny SRMV manerana ny Nosy. Izy ireo izay manangona sy manamarina ny kajy ao anatin'ny fitanana an-tsoratry ny latsa-bato. Tsy manana fahefana anefa ity farany amin'ny fanovana ireo izay kajy mety misy fahadisoana.

« Plan Emergence Madagascar » : ho vitaina mialohan’ny volana jona.

0
Ho vitaina mialohan'ny volana jiona ny "Plan Emergence Madagascar" hahafahana mametraka fampandrosoana marina eto Madagasikara. Mandray anjara amin'ny fandrafetana izany ny tomponandraikitra eo anivon'ny ministera, fikambanana tsy miankina sy ireo mpiara-miombonantoka amin'i Madagasikara.

Filohan’ny Repoblika : ho raisin’ny filoha frantsay rahampitso

0
Eo amin’ny tontolo ara-diplomasia. Any Paris amin’izao ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina . Rahampitso no hihaona amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny tenany . Fifampiresahana maro no fantatra fa votoatin’ny diany any an-toerana.

Faritry manodidina ny Rovan’Ilafy : misy mandavaka mampiahiahy

0
Misy manao fandavahana mampiahiahy ny faritra manodidina ny Rovan’Ilafy. Tsy fantatra mazava ny ny tanjona sy ny tompon’antoka amin’izany hoy ny sefo fokontany. Misy antony manokana mety hisy ifandraisana ara-tantara izany hoy ny tangalamena.

Filohan’ny Repoblika : zava-dehibe ny fahaiza-maneho safidy

0
Fifidianana solombavambahoaka. Tonga nanatanteraka ny adidiny amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity ihany koa ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ny maraina teo teny Ambatobe. Nandritra izay ihany koa no nisy ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety.

Toamasina : vita ny EPP sy ny kianja manara-penitra

0
Ny faran’ny herinandro teo no vita tanteraka ny asa fanamboarana ny EPP manara-penitra sy ny kianja fanaovam-baolina izay mahazaka mpijery hatramin’ny dimy arivo sy iray alina.ao Toamasina, araka ny fanamby sy fampanantenana nataon’ny filohampirenena.

Vokatra tsy ofisialy : mitarika ny IRD

0
Mitarika ny IRD raha ny vokatra teny anivon'ny biraom-pifidianana nolalovan'ny mpanao gazety io hariva io. Arahintsika ato anatin'ity fanadihadiana ity, ireo vokatra tsy ofisialy sy ny ambiance nandritry ny fanisam-bato.

Fifidianana solombavambahoaka : nanara-maso akaiky ny CENI

0
Nidina ifotony nijery ny fizotran'ny fifidianana sy nanara-maso akaiky izany ny teo anivon'ny CENI sy ireo vondrona mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena tamin'ity androany ity. Fari-pifidianana maromaro no notsidihina tamin'izany. Amin'ny ankapobeny, nilamina ny fifidianana singy narisarisa ny olompirenena nanatanteraka ny adidiny.

Lehiben’ny tambazotra mpanondrana rongony : tratra omaly

0
Tratra omaly ilay teratany Afrikana antsoina hoe Papa Freddy, lehiben'ny tambazotra mpanondrana rongony maherivaika an-tsokosoko. Ny tenany izay isan'ny tomponantoka tamin'ny fahatratrarana rongonim-bazaha 46kg tao Toamasina ny volana Aprily teo. Mitohy ankilany ny fanadihadiana mikasika ireo mpiray tsikombakomba azy.