vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 mai 2019

« Dialogue politique » Madagascar-UE : tontosa androany ny andiany faha-7

0
Tontosa androany teny amin’ny lapan’Iavoloha ny andiany faha-7 amin’ny « Dialogue politique » ifanaovan’i Madagasikara sy ny Vondrona Eropeana. Loha-hevitra miisa 6 no nodinihina tamin’ity andiany faha-7 ity. Samy naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy ny toekarena eto Madagasikara ny roa tonta taorian’ny dinika.

Halatr’omby : nihena tao anatin’ny 3 volana

0
Nihena ny halatr'omby tato anatin'ny 3 volana farany araka ny nambaran'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny resaka omby eto amintsika. Manoloana io, niakatra ny vidin'ny omby fiompy raha ny fanazavana.

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo : ny fanjakana foibe no tompon’antoka

0
Ny fanjakana foibe no tompon’antoka amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao raha ny nambaran’ireo Ben’ny tanàna nanaovana fanadihadiana.Vinavinaina ho vita amin'ny volana Aogositra izao ny asa rehetra.

Fananan’ny CUA : misy mampiasa ho an’ny tenany

0
Misy mampiasa manao fotodrafitrasa manokana ny vato avy nampiasaina tamin’ny fanamboarana ny sisin-dalàna natokana hanaovana lalan-kely eto Antananarivo. Tonga hatramin’ny fananganana tamboho izay sady manery ny lalam-bahoaka izany ho an’ny etsy TSIADANA.

eVisa : averina amin’ny AMETIS ny fitantanana izany

0
Mifamahofaho ny resaka ny amin’ny fiverenan’ny fitantanana , ny famoahana sy ny fitakiana ny vola amin’ny ny visa électronique ho an’ireo teratany vahiny miditra eto Madagasikara, amin’ny orinasa AMETIS. Ilaina ny fangaraharahana eo amin’ny tsena rehetra miankina amin’ny fanjakana raha ny fanazavana.