vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 mai 2019

Fifidianana solombavambahoaka : teboka maro no arahi-maso

0
Miisa 6 mazava tsara ireo teboka ho arahi-maso mandritr’izay fampielezankevitra izay sy mandritry ny fifidianana ihany koa. Fanarahamaso izay ho ataon’ireo fiarahamonimprenena.

Fampitaovana ny tafika sy famerenana ny filaminana : hamerina indray ny hasin’ny tafika Malagasy

0
Tafapetraka avokoa ankehitriny ireo faritra laharam-pahamehana amin'ny fampandriana fahalemana ambanivohitra na ny ZRPS ( Zone rurale prioritaire de sécurité) manerana an'i Madagasikara. Nanolotra fitaovana maro toa ny angidimby entina hiadiana amin'ny asan-dahalo sy hamonjena ny mponina amin'ny mety ilana azy rehetra, akanjo fiaro amin'ny bala, ary masolavitra mahita alina, tao amin'ny tobin'ny vondrona iraisam-piadidiana tao Ihosy ny filohan'ny Repoblika androany.

UTOP andiany faha-11 : nifarana tamin’ity androany ity

0
Tontolon'ny fanatanjahan-tena, afa-po na ireo mpandray anjara na ireo mpilalao tamin'ny UTOP andiany faha 11. Ny UTOP izay naharitra atelona, ka tamin'ity androany ity no nanatontosana ny fizarana ny amboara teny Ambatobe.

EDITO du 04 mai 2019

0
Tsy kobaka ambava na fampanantenana poakaty toy ny nisy hatrizay no iainan'ny firenena ankehitriny. Mitana ny teny nomeny sy ny fampanantenana nomeny ny vahoaka ny mpitondra. Hajaina ny lalàna velona misy eto @ firenena. Tsy afangaro ny raharaham-panjakana sy ny any Antoko ka miatra ny tsy fiandanian'ny fanjakana @ raharaham-pifidianana. Hajaina ny fahalalahana maneho hevitra anaty fifanajana tanteraka. Ho mariky ny fitondrana tsara tantana, atao anaty mangarahara ho fanta-bahoaka ny fiaraha-miasan'ny fanjakana @ mpamatsy vola mahazatra sy ny mpiara-miombon'antoka. Tsapan'ny vahoaka avy hatrany ny ezaka atao.

Mpilalao baolina kitra- Nosy Varika : nandresy ny ekipa voafantin’ny Tana II

0
Nibata fandresena ireo tanora, mpilalao baolina kitra avy any amin'ny distrikan'i Nosivarika izay tonga eto Antananarivo raha nifanandrina tamin'ny ekipa voafantin'ny Tana II. Ny kandida ho solombavambahoaka ao Nosivarika, ramatoa VOLAMIRANTY no nitondra azy ireo teto an-drenivohitra ka nampilalao azy ireo voalohany tamin'ny terrain synthétique.

Fampianarana : nahazo fotodrafitrasa vaovao I Toamasina I sy II

0
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny filohan’ny repoblika amin’ny fanarenana ny sehatry ny fampianarana. Vokatry ny fiarahamiasa amin’ny firenena Japoney ary tamin’ny alalan’ny JICA, EPP miisa 5 ao anatin’ny CISCO Toamasina I sy II no nahazo fotodrafitrasa vaovao ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany.

03 may : andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety

0
Nahita fivoarana ny asa fanaovan-gazety teto Madagasikara hatramin’ny taona 1950 no makaty. Na izany ara-pitaovana na ny fahalalahan’ny asa. Mbola misedra olana ihany nefa ity sehatra ity hatramin’izao taona 2019 izao. Ohatra nasongadin’ny holafitry ny mpanao gazety ny lafiny karama.

Fandaniana lalàna : miantso ny filohampirenena ny fiarahamonimpirenena

0
Lalàna momba ny fanagiazana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Miantso ny filohan’ny repoblika ireo fiarahamonimpirenena handany izany. Maro raha ny fanazavan’izy ireo ny fiantraikan’ny tsy fandaniana izany ao anatin’ny fotoana fohy.

Mpanao gazety : asiana marika famantarana ny fiara mitondra azy ireo

0
Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay hatrany. Hisorohana ny fisandohana andraikitra na fanararaotana, hoasiana sary famantarana avokoa ireo fiara an’ny mpanao gazety na an’ny orinasan-gazety izay entina manatanteraka asa. Horaketina anaty antotan-kevitra na base de données ny mombamomba ireo fiara na moto sy ny mpanao gazety tompony.

Tanàna TanaMasoandro : nampahafantarina androany

0
Nampahafantarina ny tompon’andraikitra ambony eny anivon’ny minisitera androany maraina ny mombamomba ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika RAJOELINA Andry tanàna TanaMasoandro.