vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 9 mai 2019

CENI : tsy misy izany kandidàm-panjakana izany

0
Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana no nanamafisan’ny CENI fa tsy misy izany kandidàm-panjakana izany ary tsy tokony hisy hilaza ho natolotry ny fanjakana na iray aza ireo kandidà solombavambahoaka. Nisy ihany koa androany ny famelebelarana ny amin’ny hanaovana lisi-pifidianana biometrika

Zotra D : Taxibe 46 no tsy ara-dalàna ny antotan-taratasy

0
Taxibe 46 no tsy manana antotan-taratasy ara-dalàna tao anatin'ny fanaraha-maso tampoka nataon'ny ATT sy ny mpitandro'ny filaminana tao amin'ny zotra D. Hitohy ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny lalàna raha ny fanazavana.

 » Championnat de Madagascar Karting 2019″: hotontosaina amin’ny Alahady

0
Ho tontosaina ny faha-12 ny volana may ho avy izao ny 1ere Manche amin'ny " Championnat de Madagascar Karting 2019". Ny eo anivon'ny FSAM no mikarakara ny hetsika.

Fikajiana ny vidim-piainana : sokajin’entana 250 no handrefesana izany

0
Nampitomboina 250 eo ho eo ny sokajin’entana handrefesana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Io raha fehezina ny fanovana goavana nandritra ny fampahafantarana ny fandrefesana vaovao ny toekarena sy ny harikarena faobe ataon’ny INSTAT.