Archives quotidiennes: 13 mai 2019

Toliara : hahazo fotodrafitrasa vaovao isan-karazany

0
Hoarenina amin'ny alalan'ny fanam-boalan-dalana sy fanatontosana fotodrafitrasa maro ny tanànan'i Toliara. Tafiditra a anatin’izany ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanana, ny fefiloha ary ny lalam-pirenena. Hiarahan'ny fitondram-panjakana amin'ireo mpamatsy vola ny fanatanterahana ny asa rehetra.

RN12 A:  hamboarina ny lalana

0
Mitohy ny fanam-boaran-dalana manerana ny Nosy. Hamboarina ny lalampirenena faha-12A mampitohy an’I Vangaindrano sy Taolagnaro. Soloina tetezana ireo bac 10 nahafantarana iny lalam-pirenena  iny. Nanao fitsidihana ireo lalampirenena ny MAHTP sy ireo mpamatsy vola ireo ity faran'ny herinandro ity. Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny asa ho tanterahina ary nijery ireo asa izay efa manomboka.

Karting tompondaka 2019 : tontosa androany ny dingana voalohany

0
Notanterahina androany tetsy amin’ny circuit SRK Imerintsiantosika ny andiany voalohany ho fiadiana ny ho tompondaka an’i M/kara amin’ny taranja Karting. I John Ratoby no nivoaka mpandresy tamin’ity andiany voalohany ity.

Lalàna vavao hitantanana ny lalana eto amintsika : nankatoavin’ny HCC

0
Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny didy hitsivolana hitantanana ny lalana misy sy vao haorina eto Madagasikara manomboka izao. Didy hitsivolana izay mamaritra mazava ny anjara andraikitry ny fanjakana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isan-tokony.

Edito du 11 mai

0
Ao anaty fampielezan-kevitr’izay ho Solombavambahoaka miisa 151 handrafitra ny fahefana mpanao lalàna amin’izao fotoana ny firenena. Maro ireo fanehoan-kevitra mipoitra amin’izany porofo ny maha tany mampanjaka ny demokrasia antsika eto Madagasikara. Mifandrindra amin’izay anefa dia mandeha ny fitsinjovana ny fianam-bahoaka sy ny fikatsahana fampandrosoana lovain-jafy ary fametrahana fanjakana tsara tantana.

Nosy Ankao : tafiditra anatin’ny nosy tsara indrindra aty Afrika

0
Tafiditra anatin’ny 5 voalohan’ny filaharan’ny nosy tsara indrindra aty afrika ny nosy ANKAO araka ny tatitry ny sampandraharaha nasionaly misahana ny fizahantany. Mbola tsy takatry ny fahefa-mividin’ny malagasy kosa ankilany ny sandan’ny fitsidihina ity nosy ao avaratra atsinanan’i Madagasikara ity.

Soa Mandrakizay Androhibe : ho vonona ara-potoana

0
Nidina nijery ifotony ny firosoan’ny asa eny Soa Mandrakizay Androhibe, izay toerana handraisana ny Papa François amin’ny volana septambra ho avy izao, ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara omaly, niaraka tamin’ny Kardinaly Monseigneur Desiré Tsarahazana sy ny arsevekan’Antananarivo ary ireo eveka maro hafa. Ho vita ara-potoana ny asa raha ny hita teny an-toerana. FAnampim-panazavana.

Anosizato Atsinanana : nametraka fitoriana ny tompon’ny tany

0
Ho tohin’ny fitakian’ny mponina eny Anosizato Atsinana ny amin’ny handravana ny tamboho mamefy ny lalankely ifamezivezen’izy ireo dia nametraka fitoriana ny tompon'ny tany. Arak'izany voaantso  teny amin'ny brigade territoriale de la ville d'Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona iray natao fanadihadiana.

Mpitam-bolan’ny fampielezan-kevitra : kandida maherin’ny 400 tsy mbola manana

0
Maherin’ny 400 ireo kandida no tsy mbola nahatonga ny anaran’ny mpitam-bolan’ny fampielezan-kevitra any amin’ny biraon’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana hatramin’ny androany. Izany hoe tsy nanara-dalàna. Ny fitsarana mahefa sy ny vaomiera misahana ny fitantanam-bolan’ny fifidianana no handray ny fepetra mikasika azy ireo aorian’ny fiafaran’ity herinandro ity.

Arina fandrehitra : tsy nahitana fihenana ny vidiny

0
Tsy nahitana fihenana ny vidin'ny arina fandrehitra amin'izao vanim-potoana ririnina izao na mitombo aza ny famokarana any am-potony. Mijanona ho toy ny vidiny tamin'ny fahavaratra ihany ny arina eny amin’ny mpaninjara.