Archives quotidiennes: 14 mai 2019

Tolona – 13 mai 1972 : nitondra fanovana maro

0
Nitondra fanovana maro teto amin’ny firenena ny tolona ny 13 may 1972, endrika maro no azo hitarafan’izany, hoy ny fanazavana. Tsy hita taratra intsony kosa anefa ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo fitakiana maro samihafa eto Madagasikara ankehitriny. Tsiahivina anatin’ity fanadihadiana ity ny mikasika izay tolona izay.

CRAAD-OI : mitaky ny hamoahana ireo olona 9 voatazona am-ponja

0
Takianay ny hamoahana tsy misy hatak'andro ireo olona 9 voatazona am-ponja nohon'ny raharaha mikasika ny tetikasa base toliara hoy ny fiarahamonim-pirenena CRAAD-OI. Araka izany manentana ny olompirenena hifanome tanana amin'ny alalàn'ny fanangonan-tsonia izy ireo.

Solombavambahoaka 79 teny amin’ny Paon d’Or : anjaran’ny PAC sisa

0
Herintaona aty aoriana, tontosan’ny BIANCO avokoa ny fanadihadiana momba ny fisiana kolikoly na tsia nandritra ny fandaniana ireo lalàna fehizoro hifehy ny fifidianana teny Tsimbazaza ny faha-3 aprily taona 2018. Efa eny am-pelantanan’ny PAC na ny Pole Anti-Corruption ankehitriny ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny BIANCO tao anatin’izay herintaona izay.

Mpivarotra « legumes » Analakely : nofefen’ny kaominina ny toeran’izy ireo

0
Tsy nanaiky ny famefen'ny kaominina sy ny lehiben'ny tsena ny toerany ireo mpivarotra legumes eny amin'ny Pavillon Analakely. Tsy ekena ny fanavakavahana tahaka izao hoy izy ireo, izay nilaza fa lasan'olon-tokana ny toerana