Archives quotidiennes: 15 mai 2019

CENI : nanome 6 ora farany ny kandidà hanaraka lalàna

0
Tapaka nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana notontosain’ny CENI androany fa omena 6 ora manomboka rahampitso maraina ny kandidà sy ireo mpanohana azy hanala ireo afisy fampielezan-kevitra napetraka amin’ny toerana tsy tokony hametrahana izany. Aorian’io 6 ora dia hisy avy hatrany ny sazy hampiarina

Tale jeneraly vaovaon’ny Bianco : 60 mahery ireo nametraka antontan-taratasy

0
Maherin'ny 60 ireo antontan-taratasy voaray ho an’ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovaon’ny bianco na Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly. Nitombo io isa io raha oharina amin’ny antontan-taratasy voaray na "Dépôt de candidature" ny taona 2014. Omaly kosa no nifarana ny fandraisana izany.

Faktioran’ny Jirama : fomba fiasa no mahatonga ny fikorontanana

0
Ny fanavaozana ny fomba fiasa eo anivon'ny orinasa Jirama no mahatonga ny fikorontanana amin'ny fitsinjarana ireo faktiora eto Antananarivo hoy ny tomponandraikitra eo anivon'ny Jirama. Tsy fantatra kosa hatreto ny fotoana hiverenan'izany amin'ny laoniny.

Angorohoro Andramasina : tovovavy 16 taona no naolan’ny rainy

0
Tovovavy 16 taona no naolan'ny rainy teny amin'ny fokontany Angorohoro Andramasina. Isaky ny alina no anaovan'ity rainy ny filana amin'ilay zanany vavy kely ity ary izao nitondra vohoka izao. Notanana vonjimaika eny am-ponja ity raim-pianakaviana ity miandry ny fotoam-pitsarana azy.