vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 mai 2019

Fandikan-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra : ho avy ny fanasaziana

0
Androany ny fe-potoana farany nomena ny kandidà solombavambahoaka hanalana ny afisy fampielezan-keviny amin’ny toerana voarara. Hiroso amin’ny fanesorana izany ny CENI aorian’izay ka 2 hetsy ariary isan’andro miampy ny sandan’ny fanesorana ny afisy ny sazy aorian’ny fampitandremana.

Lisi-pifidianana  : nitombo 3,77% ny isan’ny mpifidy

0
Nakatona tamin’ny fomba ofisialy androany ny lisi-pifidianana ampiasaina amin’ny fifidianana Solombavambahoaka amin’ny Alatsinainy faha-27 may ho avy. Nanomboka androany ihany koa no nandefa ireo lisitra eny anivon’ny fokontany tsirairay ny CENI. Nitombo3,77% ny mpifidy manerana ny Nosy raha mitaha tamin’ny fifidianana Filohampirenena farany teo.

Fiahiana ara-tsosialy – FID : fianakaviana 1 500 000 marefo hisitraka izany

0
Fianakaviana marefo manodidina ny 1 500 000 no hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny famatsian’ny banky iraisampirenena mitentina 90 tapitrisa dolara. Ny ministean’ny mponina no handrindra ny tetikasa hampiasana ny vola. Mifanaraka amin’ny politikam-panjakana ankapobeny avokoa ireo asa fampandrosoana ireo. Izay no nivoitra nandritra ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa natao teny Mahazoarivo androany.

Vatobe ao Tsarafaritra : natomboka omaly ny fanapoahana

0
Natomboka omaly talata ny famakiana ilay vatobe ahiana hihotsaka ao Tsarafaritra Tsimbazaza izay milanja 500T. Efa nafindra toerana avokoa ny olona nonina manodidina ity vatobe ity.