Archives quotidiennes: 20 mai 2019

Valanjavaboahary : homena tombony ireo vondron’olona ifotony

0
Valanjavaboahary miisa 14 no hanaovana fanadihadiana ka homena sanda alalan'ny fampiroboroboana ny Ecotourisme. Hivoaka mialohan'ny faran'ny taona ny vokatry ny fanadihadiana, izay vatsian'ny BAD na ny Banque Africain de Developpement vola hatrany amin'ny 1,5 Tapirisa Dolara.

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo : ny fanjakana no tompon’antoka

0
Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy no tompon’antoka amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ireo Ben’ny tanàna nanaovana fanadihadiana. Ny Banque européenne d'investissement (BEI) kosa no mamatsy ny vola hanatanterahana izany.

« Rallye Motul » andiany faharoa : nifarana androany

0
Niditra tamin'ny andro fahatelo sady farany ny Rallye Motul 2 eme edition. Epreuve Special miisa 5 no notontosaina tamin'ity androany ity. Masindray ka hatrany Ankadianadriana no lalana tamin'izany.

Fifandraisana ara-barotra Canada-Madagasikara: malalaka ny tsena

0
Malalaka tanteraka ny tsena azon’i Madgasikara sitrahana eo amin’ny tsena Kanadiana. Ny haben’ny famokarana sy ny kalitao vokarin’ireo mpandraharaha eto amintsika kosa no tokony hatsaraina. Mahatratra hatramin’ny 5 tapitrisa dolara ny tsena tokony ho azon’i Madagasikara.

Biletà tokana : nisy ireo tsy maintsy naverina natonta

0
Biletà tokana tamina Disitrika miisa 6 no tsy maintsy naverina natonta tany Afrika Atsimo noho ny tsy fanarahan’ireo kandidà ny toro-marika napetraky ny CENI. Ho entitra ihany koa ny CENI amin’ny tsy fanarahana ny toro-marika apetrany amin’ny fifidianana rehetra mbola ho avy, hialana amin’ny fitomboan’ny fandaniana aterak’izany.

KOLO TV Antsirabe : nampita ny fandaharana nanomboka omaly.

0
Efa azon’ireo mponina any Antsirabe sitrahana avokoa ireo fandaharana vokarin’ny KOLO TV eto Antananarivo. Afaka mampita ny vaovao na ihany koa miditra amin’ny antso an-tariby mivantana ireo olona any an-toerana amin’ny alalan’ny onjam-peo izay tarihan’ireo mpanentana avy any an-toerana.

« Rallye Motul » andiany faharoa : nanomboka androany

0
Tontolon'ny fanatanjahantena, nanomboka tamin'ity androany ity ny andiany faharoa amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny Rallye izay karakarain'ny Club FMMSAM. Tao amin'ny kaominina Masindray nihazo an'Anjeva no lalana tamin'izany.

Andrefan’Ambohijanahary : misy mamefy ny lalam-bahoaka

0
Tokantrano 6 etsy Tanimenabe Andrefan’Ambohijanahary no tsy manana lalana ahafahana mivoaka sy miditra ny toeram-ponenana. Notapenan’ny tompon’ny tany mifanila azy ireo ny lalana afahana mifamezivezy tafiditra anatin’ny « servitude de passage » raha ny fitarainana.