samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 mai 2019

Faritry manodidina ny Rovan’Ilafy : misy mandavaka mampiahiahy

0
Misy manao fandavahana mampiahiahy ny faritra manodidina ny Rovan’Ilafy. Tsy fantatra mazava ny ny tanjona sy ny tompon’antoka amin’izany hoy ny sefo fokontany. Misy antony manokana mety hisy ifandraisana ara-tantara izany hoy ny tangalamena.

Filohan’ny Repoblika : zava-dehibe ny fahaiza-maneho safidy

0
Fifidianana solombavambahoaka. Tonga nanatanteraka ny adidiny amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity ihany koa ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ny maraina teo teny Ambatobe. Nandritra izay ihany koa no nisy ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety.

Toamasina : vita ny EPP sy ny kianja manara-penitra

0
Ny faran’ny herinandro teo no vita tanteraka ny asa fanamboarana ny EPP manara-penitra sy ny kianja fanaovam-baolina izay mahazaka mpijery hatramin’ny dimy arivo sy iray alina.ao Toamasina, araka ny fanamby sy fampanantenana nataon’ny filohampirenena.

Vokatra tsy ofisialy : mitarika ny IRD

0
Mitarika ny IRD raha ny vokatra teny anivon'ny biraom-pifidianana nolalovan'ny mpanao gazety io hariva io. Arahintsika ato anatin'ity fanadihadiana ity, ireo vokatra tsy ofisialy sy ny ambiance nandritry ny fanisam-bato.

Fifidianana solombavambahoaka : nanara-maso akaiky ny CENI

0
Nidina ifotony nijery ny fizotran'ny fifidianana sy nanara-maso akaiky izany ny teo anivon'ny CENI sy ireo vondrona mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena tamin'ity androany ity. Fari-pifidianana maromaro no notsidihina tamin'izany. Amin'ny ankapobeny, nilamina ny fifidianana singy narisarisa ny olompirenena nanatanteraka ny adidiny.

Lehiben’ny tambazotra mpanondrana rongony : tratra omaly

0
Tratra omaly ilay teratany Afrikana antsoina hoe Papa Freddy, lehiben'ny tambazotra mpanondrana rongony maherivaika an-tsokosoko. Ny tenany izay isan'ny tomponantoka tamin'ny fahatratrarana rongonim-bazaha 46kg tao Toamasina ny volana Aprily teo. Mitohy ankilany ny fanadihadiana mikasika ireo mpiray tsikombakomba azy.

Fetin’ny Reny : manan- danja hatrany

0
Manan- danja hatrany, tsy ataon'ny olona mandalo fotsiny ny fankalazana ny fetin'ny Reny. Ho an'ny androany, niavaka ny tontolo andro hoan'ny ankamaroan'ny Reny nanontaniana. Ny zanaka etsy an- kilany, samy niezaka nampifalifaly ny Reniny raha ny fanazavana azo.

Fanavaozana ny fanabeazam-pirenena: atsahatra ny gaboraraka

0
Eo amin'ny tontolon'ny fanabeazam-pirenena , tokana ny hafatra napetraky ny minisitry ny fanabeazam-pirenena mpisolo toerana enti - manantanteraka ny vinan'ny filohan'ny repoblika. Atsahatra ny gaboraraka. Voakasik'izany manokana ny diplaoma sy ny fampidirana mpampianatra. Notontosaina omaly tany Mahajanga ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ireo talem-paritry ny fanabeazam-pirenena tao amin'ny faritra Betsiboka, Boeny, Melaky ary Sofia.

Miss – Mister Malagasy any Frantsa : hanampy ny sokajin’olona marefo

0
Hanampy ny sokajin’olona marefo eny anivon’ny fiarahamonina ny solontenan’ny Miss et Mister Malagasy avy any la Frantsa. Fitaovam-pianarana samihafa no natolony ny akany fitazaina zaza kamboty teny AMBOHIPOTSY. Tanjona ny hitondrana ny anjara birikin’ny rehetra amin’ny fampandrosoana.

Fampandrosoana an’i Madagasikara : tetikasa maro no hotanterahina

0
Mitohy ny asa fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny. Isan'izany ny famerenana amin'ny tanjany ny zotran-dalamby mampitohy an'I Manakara sy Fianarantsoa na ny FCE. Lokomotiva 2 no ho tonga hanampy ny misy amin'izao fotoana hoy ny Filohan'ny Repoblika nandritry ny fandalovany tao Fianarantsoa.