Archives quotidiennes: 29 mai 2019

Mpivarotra Tsena Analakely : iharan’ny fandrahonana

0
Filanjana sora-baventy no nanehoan'ireo mpivarotra Analakely ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny antsojay mahazo azy sy ny fandrahonana ataon'ny tomponandrikitra misahana ny fanorenana ny tsena tsy ara-dalàna eny an-toerana. Manao antso avo ireo mpivarotra mba hisian'ny fijerevana akaiky ny fampihorohoroana sy ny fanesorana azy ireo.

SRMV

0
Ao anatin'ny fikirakirana ny voka-pifidianana tanteraka ankehitriny ny eo anivon'ny SRMV manerana ny Nosy. Izy ireo izay manangona sy manamarina ny kajy ao anatin'ny fitanana an-tsoratry ny latsa-bato. Tsy manana fahefana anefa ity farany amin'ny fanovana ireo izay kajy mety misy fahadisoana.

« Plan Emergence Madagascar » : ho vitaina mialohan’ny volana jona.

0
Ho vitaina mialohan'ny volana jiona ny "Plan Emergence Madagascar" hahafahana mametraka fampandrosoana marina eto Madagasikara. Mandray anjara amin'ny fandrafetana izany ny tomponandraikitra eo anivon'ny ministera, fikambanana tsy miankina sy ireo mpiara-miombonantoka amin'i Madagasikara.

Filohan’ny Repoblika : ho raisin’ny filoha frantsay rahampitso

0
Eo amin’ny tontolo ara-diplomasia. Any Paris amin’izao ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina . Rahampitso no hihaona amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny tenany . Fifampiresahana maro no fantatra fa votoatin’ny diany any an-toerana.