samedi 27 avril 2024

Archives mensuelles: mai 2019

Governemanta-Banky Iraisampirenena : namaritra ny laharam-pahamehana

0
Jery todika mikasika ny vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny banky iraisam-pirenena sy i Madagasikara. Famaritana ny laharam-pahamehana mifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny repoblika eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena ary ara stratejika. Izay no nisongadina nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ny filohan’ny banky iraisampirenena teny Mahazoarivo ary notronon’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.

Fihaonan’ny telo tonta : tapaka fa 200 000 Ariary ny karama farany ambany

0
Nandritra ny fihaonan’ny 3 tonta, ny fanjakana, ny mpampiasa ary ny mpandraharaha androany tetsy amin’ny lapan’Ambohitsirohitra notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy no nanapahana fa 200 000 Ariary manomboka izao ny karama faran’ny ambany eto Madagasikara.

Vary mora : misy manodikodina

0
Misy manodikodina ireo vary mora ary misy kolikoly ataon’ireo mpaninjara eny ifotony hoy ny mpandrindra nasionalin'ny vary mora. Tamin'ity androany ity, nisy ny fanomezana toromarika ireo mpanjinjara eny ifotony, ary hampiharana ny lalàna ireo tratra manodikodina hoy ny tomponandraikitra.