Archives mensuelles: mai 2019

Permis biométrique vaovao : nivoaka androany

0
Nivoaka androany ny permis Biometrique vaovao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, sy manaraka ny hiaka farany. Maimaipoana ny fisitrahana izany ho an'ireo izay efa nanana ny permis biometrique teo aloha. Etsy ankilany, hisy ny lamina hapetraka amin'ny fizarana izany, hisoroana ny filaharana.

Governemanta Malagasy : manatona ny vahoaka

0
Mitohy ny fidinana ifotony ataon'ny Filohan'ny Repoblika miaraka amin'ny mpikambana ao amin’ny governemanta entina hijerena ny olan'ny mponina sy hamaliana izany. Omaly, nanatona ny vahoaka tao Morondava ny Filoha. Nisy ny fahamahana olana maro tany an-toerana.

Kolikoly : tsy fisian’ny finiavana ara-politika no lesoka

0
Ireo olom-boafidy no maro an'isa tamin'ireo nalaina am-bavany teo anivon'ny Bianco araka ny tatitra ny taona 2018, nivoaka androany. Lesoka amin'ny ady amin'ny kolikoly ny tsy fisian'ny finiavana ara-politika raha ny fanazavana, eo ihany koa ny tsy fahampian'ny olona sy ny fitaovana. Misy ny paik'ady manokana hotontosaina ato antin'ny 5 taona .

Fanatsarana fananan-tany : hisy avy hatrany ny fandaminan’asa

0
Hisy ny fandaminan' asa ho atao eo amin'ny lafiny fananan- tany taorian'ny atrikasam-paritra niraisan'ny firenena Afrikanina izay natao teto Madagasikara tao anatin'ny 3 andro. Ho an'i Madagasikara manokana, hisy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fananan- tany, hiarovana ny zon'ireo vondron'ny olona eny ifotony.

Fanamboaran-dalana eto Analamanga : asan’ny fitondram-panjakana daholo

0
Asan'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny MAHTP avokoa ireo fanamboaran-dalana mandeha eto Antananarivo amin'izao fotoana izao hoy ny talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy eto amin'ny faritra Analamanga. Tsy misy ataona antoko politika na kaominina raha ny fanazavana hatrany.

Antenimieran-doholona: noferana ho 18 ny isan’ny loholona

0
Hahena ho 18 ny isan’ireo loholona manerana an’i Madagasikara raha toa ka 63 isa izy ireo ankehitriny. Mbola hiatrika ny fanadihadiana eny anivon’ny HCC ity didy hitsivolana ity raha toa ka mifanaraka amin’ny lalampanorenana na tsia.

Fifidianana : ilaina ny fanajana lalàna

0
Miompana amin'ny fampanarahana ny lalàna ny fanaraha-maso amin'ny fifidianana tontosain'ireo fiarahamonim-pirenena. Etsy ankilany rahampitso no ho avy eto Madagasikara ny eo anivon'ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie.

Fety silamo « Eid al-fitr  » : nekena ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama

0
Araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny governemanta tamin'ny fiandohan'ny taona teo natao ho andro tsy fiasana ho an'ny rehetra nefa andraisan-karama ny andro fankalazana ny Eid al-fitr izay ankalazain'ny finoana silamo. Fety lehibe ankalazain'ny mpino silamo aorian'ny fotoan'ny Ramadan iray volana hamehezan-tena.

SASM Brickaville : hisokatra afaka 8 volana

0
SASM Brickaville : hisokatra afaka 8 volanaTaorian’ny fidinana nataon’ny filohan’ny repoblika tany Brickaville, hisokatra afaka 8 volana ny orinasa mpamokatra siramary SASM araky ny fanamby napetraky ny tomponandraikitry ny orinasa. Hanomboka avy hatrany ny asa ka fiarabe 17 no ho avy hitatitra ny kojakoja hampiodonana ny orinasa.

Fahasimban’ny « Rail de sécurité routière » : mitazam-potsiny ny CUA

0
Tsy voara-maso ireo fananana iombonana eto Antananarivo Renivohitra. Tahak'ireo vy fiarovana amin'ny sisin'arabe etsy Marais Masay na ireo rail de sécurité routière. Simba ny ampahany betsaka amin'ny fotodrafitr'asa. Tsy hita ny andraikitra raisin'ny kaominina Renivohitra Antananarivo.