Archives mensuelles: mai 2019

Fananan-tany : hatsaraina ny fahafahan’ny tompon’ny tany misitraka ny zony

0
Hatsaraina ny politikan'ny fananan-tany, ary jerena manokana ny lamina hapetraka ahafahan'ny tompon'ny tany misitraka ny zony, izay no nivoitra androany nandritry ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa momba ny fananan-tany, tontosaina etsy Anosy. Hisy manoloana io ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fananan-tany.

Solombavambahoaka : ilaina ny fisian’ny maro an’isa

0
Tsy tokony ho hatao resabe ny fisian’ny lisitra kandidà solombavabahaoaka Isika rehetra miaraka amin’ny Andry RAJOELINA, hoy ny mpahay lalàna satria efa nisy ny fampahafantarana navoakan’ny HCC milaza fa tsy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana izany. Ilain’ny asa fampandrosoana amin’ny tany tena mampiatra ny demokrasia ihany koa ny fisian’ny solombavambahoaka maro an’isa, hoy hatrany ny fanazavana.

Olan’ny rano fisotro eto Antananarivo : napetraka ny vahaolana maika

0
Tsy maharaka ny filan'ny mponina eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny rano vokarin'ny orinasa JIRAMA. Manodidina ny zato metatra cube isan'andro no fahabangana amin'ny filan'ny mponina. Misy ny fametrahana paompy fisotoman-drano vonjimaika miisa 5 entina hamahana vonjimaika ny olan'ny rano fisotro izay.

SASM – Brickaville : haverina hosokafana

0
Haverina hosokafana ny orinasa SASM ao Brickaville araky ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika androany nandritry ny fandalovany tany an-toerana. Nisy ihany koa ny marimaritra iraisana manoloana ny olana mikasika ny mpiasa sasany sy ny eo anivon'ity orinasa ity

MENETP – USA : miara-miasa hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara

0
Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy tamin'ity androany ity teny amin'ny CCI Ivato ny zaikabe karakarain'ny Masoivoho Amerikana hanatevanena ny fahaiza-manao amin'ny fampianarana teny anglisy eto Madagasikara. Zaikabe izay tontosa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ny fampiofanana ara-teknika sy fanofanana arak'asa ary ny Masoivoho Amerikana.

Afisy tsy manara-dalàna : mbola maro ireo tsy nanala izany

0
Taorian'ny fe-potoana farany nomena ireo kandidà ho solombavambahoaka hanalana ireo afisy fampielezan-keviny amin'ireo toerana voarara. Mbola maro amin'ireo kandidà hatreto no mbola tsy nanala ireo afisy amin'ireo toerana voarara ireo na eo aza ny fanentanana ataon'ireo ratsamangaikan'ny CENI eny anivon'ny Distrika.

Lalana eto Antananarivo Renivohitra : hamboarina sy hampanarahana fenitra

0
Hamboarina ary hampanarahana fenitra avokoa ny lalana eto Antananarivo renivohitra. Nambaran'ny Filohan'ny Repoblika izay androany, nandritry ny fidinana ifotony, fitetezana toerana maro teto Antananarivo nataony, niaraka tamin'ireo solontenan'ny mpamatsy vola, sy ny minisitra tompon’andraikitra.

TASK FORCE : nanomboka androany ny fidinana ifotony

0
Nanomboka androany ny fidinana ifotony ao anatin'ny hetsika Task Force ho fanentanana ireo mpampiasa hanara- dalàna eo amin'ny lafiny fiahiana ara- tsosialin' ireo mpiasa. Hita tao anatin'ny andro voalohany ity fa saika tsy mahafeno fepetra avokoa ireo vahiny mivarotra sy mampiasa olona eny Behoririka.

Valanjavaboahary : homena tombony ireo vondron’olona ifotony

0
Valanjavaboahary miisa 14 no hanaovana fanadihadiana ka homena sanda alalan'ny fampiroboroboana ny Ecotourisme. Hivoaka mialohan'ny faran'ny taona ny vokatry ny fanadihadiana, izay vatsian'ny BAD na ny Banque Africain de Developpement vola hatrany amin'ny 1,5 Tapirisa Dolara.

Fanamboaran-dalana eto Antananarivo : ny fanjakana no tompon’antoka

0
Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy no tompon’antoka amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ireo Ben’ny tanàna nanaovana fanadihadiana. Ny Banque européenne d'investissement (BEI) kosa no mamatsy ny vola hanatanterahana izany.