vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 juin 2019

Editorial du 3 juin 2019

0
Amin'ny faha-2 jolay ho avy izao farafahatarany no hamoaka ireo anaran'ny Solombavambahoaka miisa 151 ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Hita soritra sahady ny maro an'isa na mbola tsy feno aza ny vokatra tonga eny amin'ny Ceni. Midika izany fa tsy azo ivalozana intsony ny fanovana sy ny fampandrosoana ho lovain-jafy.

BRGM : nanolotra ireo voka-pikarohany momba harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara

0
Notanterahana ny harivan’ny 31 may 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle any Paris renivohitry Frantsa , ny fanomezana ho an’ny firenena malagasy ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny BRGM. Hita anatin'izany ny toe-tany sy ny harena an-kibon'ny tany ananan'i Madagasikara.

Gaboraraka ataon’ny sarety sy posy : mitaza-potsiny ny CUA

0
Gaboraraka ny fifamoivoizan'ny sarety sy ny posy eto an-drenivohitra, tsy hita ny fandraisan'andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra. Manoloana izany, nandray ny andraikitra ny OMC ary hampihatra ny lalàna ho an'ireo sarety sy posy mandika izany manomboka ny Alatsinainy izao.

Makamba : tsy ampy ny vokatra

0
Ambony ny tinady eo amin'ny stena iraisam-pirenena mikasika ny vokatra makamba avy eto Madagasikara. Isan'ny be mpitady ny "Crevette Royale" . Hatreto tsy ampya anefa ny vokatra ahondrantsika raha ny fanadihadiana

« DEL » : maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana

0
Kaominina miisa 50 amin'ny faritra 3 eto Madagasikara no nanatanterahana ny tetikasa DEL na ny Developpement Economique Local nandritra ny 2 taona sy tapany. Fametrahana fampandrosoana ara-toekarena ifotony, izany hoe miainga amin'ny kaominina no tanjona amin'izany. Nahomby ny tetikasa raha ny tatitra natao androany ary maro ireo kaominina nahazo vokatra azo tsapain-tanana.

Olana amin’ny fifidianana : afaka mametraka fitoriana ny olompienena

0
Afaka mametraka fitoriana ny olompirenena izay nandatsa-bato tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo raha nahatsikaritra trangan-javatra nampiahiahy nandritra iny fifidianana iny, fa tsy ny kandidà na ireo solontenany ihany araka ny lalàna velona eto Madagasikara.

Mpivarotra amoron-dalana : tsy misy ny fandraisana andraikitra

0
Manomboka rakotra tsena ny eo am-pitan’ny toby fiantsonan’ny fiara etsy Andohotapenaka. Raha ny fanazavan’izy ireo, hatreto manorina izay te hanorina. Tsy misy ny vola aloa . Tsy nahazoana fanazavana ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Milaza ny efa nanala azy ireo kosa ny avy eo anivon’ny fokontanin’Andohotapenaka II.