vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 juin 2019

CENI : nifarana androany ny fandraisana ny vokatra

0
Mifarana anio ny famoahana ireo fironam-bokatra na (tendances des résultats) izay azo tamin'ny alalan'ireo PV scannés. 107 amin'ireo SRMV 119 manerana ny Nosy no efa nahatonga ny PV réel ety anivon'ny CENI foibe ary andrasana hatramin'ny anio alina ireo ambiny avy amin'ny SRMV 12 isa.

Olana – OTIV : nanome hatramin’ny zoma izao ny Filoha hamahana ny olana

0
Nisy ny fihaonana tamin'ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Otiv sy ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagsikara ny maraina teo manoloana ny fahamana ny olana izay nampitaraina ireo mpikambana eo anivon'ny Otiv. Nanome fe-potoana hatramin'ny zoma ho avy izao ny filoha hamahan'izy ireo io olana io.

Fiarovana ny tanàna : afa-po ireo tomponandraikitra

0
Taorian'ny fitsidihana natao omaly alina teto Antananarivo renivohitra, afa-po ireo tomponandraikita eo anivon'ny Tafika sy ny Polisim-pirenena ary nanamafy fa hitohy hatrany ny ezaka famerenana ny filaminana eto amintsika. Ny hahafahan'ny vahoaka miaina am-pilaminana, lavitry ny tebiteby no tanjona.

CENI : biraom-pifidianana 9 no tsy nisy fifidianana

0
Tamin’ny fotoana farany nandraisan’ny CENI ireo fitanana an-tsoratra avy any amin’ny SRMV no nahalalana fa miisa 9 ireo Biraom-pifidianana tsy nisy ny fanatontosana fifidianana amin’ireo biraom-pifidianana miisa 25 388 (valo amby valopolo sy telonjato sy dimy arivo sy iray alina) manerana ny Nosy.

Ampanihy Andrefana : voly rongony 30 ha no tratra

0
Voly rongony manodidina ny 30 ha sy rongony 20 kitapo no saron'ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny fokontany Ankaramena, Distrikan'i Ampanihy Andrefana ny faran'ny volana may teo. Nitsoaka ny tanàna avokoa ireo mponina namboly ireo rongony ireo raha ny fanazavana azo.

« Eid Al-Fitr » : hankalazaina rahampitso

0
Niteraka disadisa ho an'ny mpino silamo ny daty ny androany, raha ny zava-nisy teny amin'ny Mosqué nanaovana fanadihadiana io maraina io. Nisy ireo nanambara ny efa nahita volana, etsy ankilany, maro kosa ireo hanatanteraha ny Eid al-Fitr rahampitso. Ireto farany izay anatin'ny fanomanana ny fikarakarana rehetra.

Global Media Forum : nanatrika izany ny Kolo tv/fm

0
Naharay fanasana manokana nanatrika ny fivoriam- be, Global Media Forum izay natao tany Bonn Allemagne ny fahitalavitra kolo amin'ny maha mpiara- miasa azy sy ny Deutsche Welle. Niompana tamin'ny zava- misy manodidina ny famoaham- baovao sy ny tambazotran- tserasera ny fihaonana.

Fanatsarana ny masomboly : mpitsirika sy mpanara-maso miisa 106 no nanao fianianana

0
Ho fanatsarana ny vokatra eto Madagasikara, mpitsirika sy mpanara-maso masomboly miisa 106 no nanatanteraka fianianana teny amin'ny fitsarana androany. Ny kalitaon'ny masomboly izay iankinan'ny fahafahana mamokatra bebe kokoa ary tsara kalitao.

Mpandraharaha « Huiles essentielles » : misedra olana

0
Antontan-taratasy fangatahana alalana hanondrana huiles essentielles manodidina ny 50 no mihitsoka amin’izao raha ny fanazavana azo, tao anatin’ny 2 volana. Vokatr’izany, ankoatry ny tsy fahatokisan’ny mpandray izany intsony nohon’ny fahatarana amin’ny fandefasana ny vokatra, manodidina ny 8 hatramin’ny 10 tapitrisa dolara isam-bolana ny vola very ho an’iro ireo mpandraharaha. Manao antso avo ny minisitera tomponandraikitra izy ireo manoloana izany.