vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 6 juin 2019

Fitiliana – “austime” : ilaina fiaraha-mientan’ny rehetra

0
Mavesatra amin’ny sarababem-bahoaka amin’ny ankapobeny ny saram-pitiliana raha toa ka autiste ny zaza iray na tsia. Fitiliana karazany 5 farafaha-keliny no atao ary maherin’ny 7 alina ariary avokoa ny sarany. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientan’ny tomponandraikitra rehetra na miankina amin’ny fanjakana na tsia.

Eid Al-Fitr : nisy ny fiarahana misakafo

0
Taorian'ny fotoam-pivavahana ny maraina, nitohy tamin'ny fiaraha-misakafo ny fety, nentin'ny mpino silamo nanamarihana ny andro androany. Samy nanomana ny azy nizy ireo, isan'izany ireto tanora mivondrona amin'ny finoana silamo nanaovana fanadihadiana ireto. Fanadihadiana.

Vovoka manify : mihoatra avo 3 heny amin’ny tokony ho izy ny eto Andrenivohitra

0
Mihoatra avo 3 heny amin'ny fetra farany azo leferina ny fahalotoan'ny tontolo iainana ateraky ny vovoka manify avy amin'ny fampiasana motera eto Andrenivohitra raha toa ka hatramin'ny 50 microgramme isaky ny metatra toratelo ny fenitra napetraky ny OMS. Mirongatra vokatr'io ny aretin'ny fitaovam- pisefoana ankehitriny .

Fampandrosoana: hamafisina ny ezaka sy ny asa tanterahana.

0
Ny sehatry ny fampandrosoana, indrindra any amin’ny faritra Atsimo tahaka ny famatsian-drano sy ny fampivoarana ny maha-olona. Ireo no nivoitra nandritra ny dinika nandraisan’ny praiminisitra ny delegasiona avy amin’ny firenena mikambana ny maraina teo. Hatevenina ny ezaka hoataon’ny fanjakana hiadiana amin’ny fahantrana hoy ny praminisitra.