vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 7 juin 2019

BIANCO : hampahafantatra ny i-TOROKA manomboka rahampitso

0
Hampahafantatra manomboka rahampitso ny fametrahana fitorohana « i-TOROKA » tsy mitonona anarana avy amin’ny alalàn’ny tranokalany ny BIANCO, tafiditra indrindra amin’ny fomba vaovao ho entina mamongotra tanteraka ny kolikoly ity fomba fitorohana « i-TOLOTRA » ity.

Lapan’ny Tanànan’Antananarivo : nisy namaky saingy tsy misy ny mangaraharaha

0
Nisy namaky ny Laapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra omaly alina. Tao amin'ny vararana faha- 15 no nitrangan'izany, raha ny fanazavana avy amin'ireo mpiambina ny vavahady. Tsy fantatra mazava ny vokatr'ity tranga ity noho ny tsy fanomezan'ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaomina Antananarivo Renivohitra vaovao na nilaza aza izy ireo fa hampanjaka ny mangarahara tanteraka andro vitsivitsy lasa izay.

Fankalazana ny 26 jona : nisokatra nanomboka androany

0
Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka androany -6 jona ny fankalazana ny faha -59 taona niverenan'ny fahaleovantenan' i Madagasikara sy ny fetin'ny foloalindahy malagasy. Nanomboka androany ihany koa ny tokony hananganan-tsainan’ny tokantrano Malagasy tsirairay sainam-pirenena ho fanamarihana ireo fety roa sosona ireo.

Voambolana malagasy: aman’aliny no miandry fanontana rakibolana vaovao

0
Tsy mbola misy ny enti-manana entina hanontana rakibolana malagasy vaovao. Vokany, aman'aliny ireo voambolana malagasy no miandry izany. Mitohy raha ny fanazavana ny fikarohana voambolana. Amin'izao iray volan'ny teny malagasy izao, lohahevitra entina manamarika izany ny fifehezana ny teny malagasy entina mifehy ny teny vahiny.