Archives quotidiennes: 12 juin 2019

Voka-pifidianana Bealanana : nisy nitarika korontana

0
Nitarika korontana tany amin’ny Distrikan’i Bealanana ireo kandidà Solombavambahoaka miisa 2 ho fanoherana ny voka-pifidianana tany an-toerana. Manazava ny zava-nisy tany amin’ny Distrikan’i Bealanana ny kandidà Solombavambahoaka IRD VOLAHAINGO Marie Thérèse.

Herin’aratra eny Ambanivohitra : 50% no hisitraka ao anatin’ny 5 taona

0
Zava-dehibe ny fisian’ny herin’aratra eny amin’ny tontolo Ambanivohitra, hoy ny tale ara-teknikan’ny ADER. Fototra iray ahafahan’ny eny ambanivohitra manana seham-pihariana amin’ny famoronna asa vaovao izany. Hisy ny tetik’asa mikasikan’ny fanomezana herin’aratra ny eny ambanivohitra ary 50% no heverina hisitraka izany ao anatin’ny 5 taona. Fanampim-panazavana.

Fakan’olontsotra ny faritra arovana Andakibe : mitokona ny mponina

0
Mitokona ireo mponina any Andakibe Antsiraka. Antony, raha ny fanadihadiana natao, misy olontsotra mamaritra ny faritra arovana antsoina hoe pointe à Larre any an - toerana.

Fanapoahana Tsipoapoaka : tsy miova ny lalàna

0
Tsy azo atao ny manapoaka na mivarotra karazana pétard na tsipoapoaka eto amin'ny tany sy ny firenena Malagasy. Lalàna izay efa mipetraka ary hamafisina hatrany hoy ny avy ao amin'ny minisiteran'ny fiarovam- pirenena.

MCC : manome fe-potoana iray volana ireo tompona haino aman-jery

0
Manome fe-potoana iray volana ireo tompona haino aman-jery rehetra eto Madagasikara ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina hitondra ny fanambarana maha ara-dalàna ny haino aman-jerin'izy ireo sy ny antotan-taratasy mifanaraka amin'izay. Aorian'ny fe-potoana hisy ny fepetra horaisin'ny minisitera tomponandraikitra.